Politique

Vao voatsangana ny Governemanta sy Parlemanta, dia Afaka mody Ravalomanana


  • Alakamisy 17 Martsa 2011

Tao Lusaka (Zambia) ny delegasion’ny Ankolafy Telo, tarihin’ny filoha Marc Ravalomanana, omaly no nanomboka ny fitetezana ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC hanazavana amin’izy ireo ny zava-misy marina eto Madagasika, ka hanolorana an-tanana ny tolo-kevitra handaminana ny krizy, izay mirakitra ny tokony hanatanterahana fihaonana an-tampony eto Madagasikara hiantsoana ireo filohan’ankolafy nidinika tany Maputo sy Addis Abeba miampy ireo mpitarika vondron’antoko lehibe eto hiverina an-databatra boribory hitady sori-dalana ifanarahana hivoahana amin’ny krizy.

Hihazo an’i Botswana ny delegasiona amin’ity anio ity. Fa nialoha ny nialan’izy ireo tao Afrika Atsimo, dia nisy ny harivan’ny talata 15 martsa teo, tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Johannesbourg, ny fihaonana teo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filoha Mozambikana teo aloha sady lehiben’ny iraka mpanelanelana vahiny, Joaquim Chissano. Natolotr’Atoa Ravalomanan an-tanana an’ity farany ny taratasy mirakitra ny tolo-kevitra sy ny fitakian’ny Ankolafy telo ny hanatanterahana io fihaonana an-tampony eto io, ary koa ny fanitsiana miendrika volavolan-tsori-dalana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, heverina fa handaminana ny krizy.

Misy andininy 44 izy ity. Anisan’ny fanovana ao anatiny, raha oharina amin’ilay naroson’ny Dr Leonardo Simao hatao rangopohy teny Ivato ny 09 martsa, dia ny fanavaozana tanteraka ny firafitry ny Kongresy, ny filankevitra ambonin’ny tetezamita, ary ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana. 11 volana aorian’ny fanaovan-tsonia ny sori-dalana ifanarahana no hanatanterahana ny fifidianana malalaka, mangarahara ary ankatoavin’ny rehetra. Anatin’ny fifanarahan’ireo mpanao politika mandrafitra io sori-dalana io no ivoahan’izay ho filohan’ny tetezamita iombonana. Mametra-pialana 90 andro alohan’ny androm-pifidianana ny filohan’ny tetezamita, ny praiministra sy izay mpikambana amin’ny governemanta maniry hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena na parlemantera.

Araka ny andininy faha-18 dia foana tsy manan-kery avokoa ny didim-pitsarana nivoaka rehetra manameloka ny filoha Marc Ravalomanana, satria tsy mahefa mitsara azy ny fitsarana namoaka izany. Famotsoran-keloka faobe no omena izay voakasiky ny raharaha politika teo anelanelan’ny 2002 sy 2099, ankoatra ireo nahavita heloka bevava tamin’ny zanak’olombelona, na voaheloka noho ny fandringanana olona na nanosihosy ny zon’olombelona. Aroso hankatoavin’ny Parlemanta ny lalàna momba ny amnistia, ary tsy misy fifidianana azo tanterahina raha tsy tontosa izany, araka ny andininy faha-19. Any amin’ny andininy faha-21 kosa no milaza ny fahafahan’Atoa Ravalomanana miverina an-tanindrazana.

Voalaza ao, araka ity volavolan-tsori-dalana ity, fa antoky ny vahaolana maharitra amin’ny krizy eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana, ka araka ny andininy faha-20, milaza ny tokony hamoahan’ny Parlemanta lalàna mamaritra ny satan’ireo filoham-pirenena taloha, dia afaka miverina malalaka eto an-tanindrazana ny tenany vantany vao tafajoro ny governemanta sy ny Parlemantan’ny tetezamita ifanarahana. Ny mpitondra ny tetezamita no miantoka ny fiarovana azy sy ny fianakaviany ary ny fananany. Andrasana moa izany izay vokatry ny dian’ny delegasiona tarihiny mihaona tamin’ny troikan’ny SADC, indrindra mikasika ity sori-dalana aroson’ny ankolafy Ravalomanana ity.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Sary : Fihaonana teo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filoha Joaquim Chissano

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT