Politique

Vahaolana avy amin’ny SADC Miandry aorian’ny 15 febroary


  • Alarobia 09 Febroary 2011


Omaly no nanao fivoriana atsy Afrika Atsimo mikasika ny raharaha eto Madagasikara ireo filoham-pirenena ao amin’ny vondrona SADC. Diso tanteraka ny filazana fa nanaiky ilay sori-dalana naroson’ny Dr Leonardo Simao izy ireo. Araka ny loharanom-baovao avy any Afrika Atsimo dia tsy misy inona mbola tapaka hatreto mikasika ny krizy malagasy. Ny zava-misy dia nangatahiny tolo-kevitra tsirairay avokoa ireo firehana rehetra miaraka amin’ny mpanao politika eto Madagasikara. Aorian’ny 15 febroary vao ho tonga eto Madagasikara indray ny solontenan’ny SADC ka handray ireo tolo-kevitra tsirairay ireo.

Vita izay dia aravona ho iray izany hamoahana ny volavolana sori-dalana hiarahan’ny rehetra. Eo am-piandrasana izany dia fantatra fa misisika mafy ny Frantsay handeha irery miaraka amin’ny FAT amin’izao fotoana izao. Misava lalana an’izany ny fahatongavan’ireo vazaha iraka avy amin’ny Vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay na ny OIF. Etsy ankilan’izany dia mitady fanohanana avy amin’ny Firenena Mikambana ny Frantsay amin’izao mba hamahana samirery ny olana eto Madagasikara. Tsy manaiky izany anefa ny vondron’ny SADC. Raha tsy tafapetraka mihitsy ny filoham-pirenena vaovao lany amin’ny fomba demokratika iarahan’ny rehetra manaiky tsy hamela samirery ny Malagasy izy ireo araka ny loharanom-baovao ihany.

 Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT