Lany tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana teny Tsimbazaza omaly ny fandaharam-potoana hatramin’ny 6 jona izao.
Solombavambahoaka 115 no nankasitraka, iray no tsy naneho hevitra. Anisan’ny hodinihina ny tolo-dalàna miisa 2 natolotry ny depioten’i Bealalana, amin’ny talata izao. Toa mijanona ho resabe kosa ny fitsipaham-pitokisana, izay noheverina fa hafana sy hisian’ny adihevitra lehibe eny amin’ny antenimieram-pirenena. Miombon-kevitra sy mankasitraka ny asan’ny governemanta ve izany na ny mpanohitra aza ? Efa nahazo fampanantenana sy tambiny ve ireo solombavambahoaka, ka na ireo nilaza ho vonona sy mandrisika aza efa niova hevitra ? Mandeha ny feo fa fiara tsy mataho-dàlana no setrin’ny tsy fanaovana fitsipaham-pitokisana. Samy miandry izay hiseho ny vahoaka tsy mandady harona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.