Politique

Tsy aritra Ny vy tsy mikitrana irery


  • Alarobia 25 Mey 2011

Manomboka mikorapaka sy taitaitra indray ankehitriny ireo mpanara-dia ny FAT satria mahatsapa izy ireo fa toa mitady hivadika ny toe-draharaha ary tsy nahazo fankatoavana 100% tamin’ny Sadc avy hatrany ilay sori-dalana nivavahana efa ho telo volana izao.

 Tsy sonia avy hatrany araka ny vaovao aely etsy sy eroa no hotanterahana any Gaborone Botswana fa mbola misy adihevitra sy fifandresen-dahatra aloha. Miha mazava ihany izao fa tsy maintsy hisy ny fifanatrehana eo amin’ireo filohan’ny Ankolafy 4, ary tsy mbola fantatra mazava na hisy ihany na tsia ny fivoriambe iarahan’ireo mpitarika vondrona politika hafa. Raha ny hoe ho avy any Gaborone aloha ireo rehetra nanao rangopohy iny sori-dalana iny dia tsy mitombina velively raha ny fahafantarana ny fomba fiasan’ny Sadc.

Nanomboka ny alatsinainy 23 mey teo dia miverina indray ny fanosoram-potaka sy fanaratsiana ny filoha Marc Ravalomanana ataon’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina sy ny FAT ka ilazan’izy ireo fa ity filoha teo aloha ity no nahatonga izao krizy izao ary mahalatsaka an-katerena ny firenena ankehitriny. Tahaka ny nanadino izy ireo fa i Andry Rajoelina no tsy nahandry ny andro zoma ka nitarika olona hanongam-panjakana ary nilokaloka fa hahavita hanavotra an’i Madagasikara. Ary araka ny nambaran’ny mpahay toekarena iray dia : «tsy misy afaka ny hilaza mihitsy fa ho tahaka izao ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny Malagasy raha toa ka mbola nijanona teo amin’ny fitondrana Atoa Ravalomanana. Nametraka ny rafitra rehetra hahafahana miroso amin’ny asa fampandrosoana mba hisian’ny fitomboan’ny harin-karena mba hanatsarana ny fiainan’ny isan-tokantrano mantsy ny fitondrana Ravalomanana, saingy tsy araky ny rehetra io fanovana goavana io koa mora ho an’ny mpanohitra ny nandoto rano sy naka ny fon’ny vahoaka. Tsy misy firenena mandroso sy mandresy ny fahantrana izany mihitsy raha tsy manana drafitra maty paika mifanaraka amin’ny zava-misy ao aminy sy ny fivoaran’ny toekarena manerantany no sady eken’ny mpamatsy vola. Efa naharafitra ny Madagasikara Am-perinasa na MAP isika, saingy efa nofinofy sisa izany ankehitriny noho ny krizy… ».

Izay ny amin’iny fa mbola misy koa ireo milaza fa rariny sy hitsiny, hono, raha tsy avela miverina eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana satria tsy mbola nikatona ny ferin’ireo nitondra faisana noho ny nataony (?) Koa fanontaniana roa avy hatrany no navalin’ny mpitolona iray eny amin’ny Magro izany dia ny hoe : ary ahoana izany no atao amin’ireo nitondra faisana sy nijaly ary niharan’ny tsy rariny nandritra ny nitondran’i Andry Rajoelina ny tetezamita ? Ary mampilamina an’i Madagasikara sy ny fitondrana tetezamita marina ve ny fanakanana an’i Marc Ravalomanana tsy hiditra eto sy ny fitohizan’ny hetsik’ireo mitaky ny hiverenany ? Ny vy tsy mikitrana irery ary misy antony ny zava-drehetra matoa mitranga. Noho izany indrindra no mahazava-dehibe ny fifanatrehana sy fifanazavana ary fifamelana eo amin’ireo mpifanandrina mivantana nahatonga ny krizy ary mampitombina tsara ny tsy maintsy hisian’ny fihaonan’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana izay samy mety mahalala tsiambaratelo sy zava-miafina maro momba izao zava-mitranga eto Madagasikara izao.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT