Politique

Tsy aritra Mihazakazaka ny toe-draharaha !


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Mety hihazakazaka amin’izay manomboka izao ny fametrahana ireo andrim-panjakana ho amin’ny fampandehanana amin’izay ilay nambaran’ny sori-dalana fa tetezamita iaraha-mitantana.

Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena, ny fanitarana ny CT sy ny CST ary ny CENI. Ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina rahateo efa nilaza fa ampy izay ary tsy maintsy miroso fa tsy afaka hiandry lava ny soso-kevitry ny ankolafy hafa. Azo antoka izany fa farafahatarany amin’ny herinandro ho avy io no hijoro ilay governemanta vaovao, efa hatry ny ela rahateo no naharay CV ny teny Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo. Efa azo antoka ihany koa fa hisy indray ireo mpanao politika ho jamban’ny seza ka hamadika palitao, ka raha androany nilaza fa tsy hanasonia ny sori-dalana, rahampitso anefa dia hanaiky indray hiditra ao anatin’ny governemanta na ny parlemanta.

Efa mandeha sahady aza ny feo fa misy sasantsasany amin’ireo mpanao politika ao anatin’ny ankolafy telo efa azo antoka fa hahazo toerana ao anatin’io governemanta io, saingy mbola mandeha ny ady varotra amin’izao fotoana, ary ho hita eo ihany raha sahy hiova lasy izy ireo na tsia. Ankoatra ny fifampidinihana ofisialy mantsy dia misy ny fifampidinihana miafina ka hihaonan’ireo mpanao politika ambara fa mifanipaka foto-kevitra ijoroana sy fomba fijery.

Ho an’ny mpandinika ny raharaha politika eto amintsika ihany koa dia manomboka sarotsarotra ihany ny toerana misy an’Atoa Marc Ravalomanana sy ny ankolafiny amin’izao fotoana satria, izy sady any lavitra any tsy mety tafiditra eto, no manomboka miova be ihany ny fomba fijerin’ireo mpanelanelana vahiny ny amin’ny momba azy, ary ireo olona nanankinany ny fitantanana ny ankolafiny koa sahiran-tsaina ihany noho ny zava-misy eto an-toerana sy ny karazana tsindry sy ramatahora isan-karazany.

Ary amin’ny raharaha politika tahaka izao moa dia tsy maintsy misy ihany ny fampilendalendana sy ny mena miraviravy, koa asa hoe hatramin’ny rahoviana no hahatohitra ny fakam-panahy ny avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ka handà ny toerana sy seza omena azy ireo ao anatin’ny fitondrana tetezamita. Ny FAT rahateo dia efa manana paikady hanalefahana ny tolon’ny Ankolafy Telo amin’ny alalan’ny fanagadrana sy fisamborana ireo mpitarika, na ny fanomezana seza azy.

Tena sarotra, araka izany, ny raharaha ary tsy mety mbola fantatra ny tena marina hatramin’izao. Tena sahiran-tsaina ny olon-tsotra satria mifamadibadika be ihany ny toe-draharaha : ka toa mahita ny maro hoe lasa manohana an’i Andry Rajoelina indray ny SADC fa manilika tsimoramora an’i Marc Ravalomanana, fa nahoana ary ? Tombon-dalana iray lehibe ho an’ny FAT ny tsy fahafahan’ny filoha teo aloha miverina eto, ary tsy misalasala mihitsy i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy mampiasa io tombony ananany io hanatanterahany hatramin’ny farany ny fandaharanasany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT