Politique

Tsimbazaza Nifandramatra ny mpikamban’ny Kongresy roalahy


  • Talata 07 Jona 2011

Nifandramatra tahaka ny zazakely ny mpikambana roalahy ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita omaly taorian’ny fivoriana nitambarambe omaly.

 Vao tafavoaka ny efitrano izy ireo no efa nifanao rahom-bava ary velona mihitsy ny fihantsiana toy ny hoe : «izaho tsy matahotra an’ialahy fa andao hiady !». Efa nanao izay ho afany tamin’ny fanakanana azy ireo ny namany fa niala maina. Tafavoaka teny ivelan’ny trano ihany, tsy nisy nanaraka intsony ka dia samy nametraka ny kitapo sy ny antontan-taratasy teny aminy avy ary nifamonkina totohondry. Tsy sahy nifamely indray anefa izy ireo fa samy mbola namerina ny rahom-bava avy.

Resaka fangataham-pitenenana nataon’ny iray tamin’izy ireo tao am-pivoriana no fototry ny disadisa. Efa elaela vao nomen’ny filohan’ny Kongresy fitenenana izy ka nahatonga an-dranamana nanao eson-teny kely hoe : «rehefa izy ve dia natao aoriandriana ny anjarany na dia efa ela aza no nangataka ny hiteny ?». Dia novalian’ilay iray hafa tamin’ny «mot d’ordre» izany fa «tsy tokony hamingavinga filoha tahaka izany ianao fa izany ilay manakorontana eto amin’ity toerana ity !». Ity farany moa dia nilaza fa anisan’ny nametraka tamin’ny toerany ity fitondrana tetezamita ity ka sarotiny amin’ny fiarovana azy tanteraka. Ilay iray voalohany anefa dia mpikambana feno amin’ny antoko TGV ka tsy ho latsak’izany ihany koa fa mety ho efa manana disadisa anatiny eo amin’ny TIM lasa mpitarika ity andrim-panjakana ity ny tenany. Tsy maintsy misy mpandimby foana ireo kalaza amin’ny sakoroka madinidinika ao Tsimbazaza ao ê !

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT