Politique

Tsilavina Ralaindimby Mila miova ny mpanao politika …


  • Zoma 13 Mey 2011

Mbola tena be loatra ny fifankahalana sy ny finiavana hamaly faty eo amin’ny samy mpanao politika ka izay no mahasarotra ny famahana ny krizy, araka ny hevitr’i Tsilavina Ralaindimby mpanao gazety sady efa minisitry ny serasera teo aloha.

 Tsy hisy mihitsy ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, araka ny nambarany, raha tsy miova fo sy fomba fisainana ny mpanao politika malagasy. Azo atao tsara ny fampihavanana sy ny famotsoran-keloka, hoy izy, saingy mialoha izay aloha dia mila hadihadiana raha mitombina tokoa ny raharaham-pitsarana nanamelohana ireo mpanao politika na mpitondra teo aloha. Aleo tsorina ny resaka, hoy i Tsilavina Ralaindimby fa tena misy eto amintsika ny fanaovan’ny mpitondra ho fitaovana politika ny fitsarana ka hanilihana na hanagadrana tsotra izao ny mpifanandrina na ireo tsy mitovy hevitra aminy. Nomarihany anefa fa tsy maintsy ny vahoaka ihany no tompon’ny teny farany, ary manapa-kevitra ny amin’izay sori-dalana tokony hitantanana ny firenena sy izay olona hampihatra azy io. Tsy maintsy amin’ny fomba demokratika manaja ny firehan’ny andaniny sy ny ankilany ary tsy manilika ny vitsy an’isa anefa no hanaovana ny fakana hevitra ny vahoaka na fifidianana, hoy ihany izy nanazava. Mila karohana ny hevitra rehetra hahatongavana amin’izany mba hialana tanteraka amin’ny fifankahalana sy ny fanaovana valifaty politika.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT