Nalalaka ny lalan’ny Tia Tanindrazana, nifangaroan’ny Ankolafy 3 sy Monima, izay nanao rodobe tamin’ny fametrahana ny fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny maherifo Ambohijatovo omaly, ho fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947.
Tonga teny an-toerana nitarika ny vahoaka an’aliny ry Pr Zafy, Pr Ange Andrianarisoa, Dr Emmanuel Rakotovahiny, Monja Roindefo, Jean Louis Rakotoamboa, Edouard, Ruffine Tsiranana, Ramisandrazana, Lalatiana Ravololomanana, Ihanta Randriamandrato… naneho firaisankina ho fanavotam-pirenena. Nanatevin-daharana koa ny Mpino Silamo, ny Vondron’ireo Ben’ny tanàna, ny Legalista (Tonton Ambroise), ny Fifar, Vonjy Aina ... Tsy nisy kabary na lahateny teny fa nafana kosa ny fifanotronana tao anatin’ny hiran’ny tolona noredonina am-bava. “Mbola hafa ihany ny vahoaka milamina mitaky ny ara-dalàna”, hoy ny senton’ny teny an-toerana. Tsy hita taratra tao anatin’izany ny hoe nisy fahabangana noho ireo nisintaka niaraka amin’ny FAT.
Rehefa izay dia nitanjozotra nidina tsimoramora, namakivaky ny Kianjan’ny 13 Mey nandalo an’i Soarano ary nihazo ny kianjan’ny Magro Behoririka, ny vahoaka nisian’ny fampitam-baovao sy toromarika, ka tamin’izay no nampahatsiahivan’i Jean Louis Rakotoamboa fa “tsy nangalatra tsy nanao inona ny razantsika nefa dia nataon’ny mpanjanaka vono moka. koa rariny loatra raha betsaka isika no naneho fahatsiarovana izany. Isaorana manokana ny prezida profesora Zafy Albert tsy milavo lefona. Efa 85 taona nefa tsy miamboho adidy”. Nambarany fa dia andro lehibe anio alarobia, ka ho avy maro ao amin’ny Magro Behoririka ny tia tanindrazana hanao antso amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra ny SADC izay hivory ka hanapaka momba ny raharaha Madagasikara rahampitso alakamisy 31 martsa.
Ankoatra izay dia tazana hatrany nihaodihaody teny ho eny tamin’ny fiara efa 15 isa ny Emmo-Reg. Nanaraka tsimoramora nihazo ny Kianjan’ny Magro ry zareo taorian’ny nialan’ny vahoaka teo Ambohijatovo ary nisy ny nidina nandeha an-tongotra mihitsy aza teny amin’ny araben’ny fahaleovantena teny rehefa nandalo ny vahoaka marobe. Nitoby teo anoloan’ny garan’i Soarano ry zareo rehefa avy niaro ka nanatitra ny vahoaka tsy nivilivily fa niditra am-pilaminana tao amin’ny Kianjan’ny finoana Behoririka, izay feno hipoka omaly.
SARY : Nifangaro tamin’ny vahoaka ireo mpitarika ny Ankolafy 3 sy i Monja
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.