Politique

Troika SADC tao Livingstone Voatsipaka ny sori-dalana, tsy nekena ny tetezamita


  • Zoma 01 Aprily 2011

Nilaza ny heviny ny Troika SADC ary namoaka fanapahan-kevitra miendrika didy taorian’ny fivoriany natao omaly.

Voatsipaka ambavafo ny Dr Leonardo Simao sy ny sori-dalany. Izay ny vaovao farany azo omaly avy any Livingstone, renivohitr’i Zambia. Efa nampoizina ihany izany satria manana ny maha izy azy ny filoha Ravalomanana izay nitondra ny tenin’ny filoha telo nifandimby, izy rahateo dia tonga nanatrika ny fotoana tany an-toerana. Voatsipaka ambavafo ihany koa ny iraky ny FAT izay efa nalefa andro maromaro nialoha ity fivoriam-ben’ny Troika ity. Tsy nahomby ny dian’izy ireo na dia teo aza ny fahaizana miresaka nataon-dRatsirahonana Norbert Lala sy ny tariny. Mazava izany izao fa notsipahin’ny Troika izay hivondronan’ny filoha Zambianina Rupiah Banda, ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma ary koa ny filoha mozambikanina Armando Guebuza ilay sori-dalana. Izy ireo dia mitana ny sampana politika, fandriampahalemana ary filaminana eo anivon’ny firenena mpikamban’ny vondrona SADC. Ny tsy fankatoavana ity sori-dalan’ny Dr Simao ity dia midika ho tsy fankatoavana ny Governemanta Vital izay lazain’ny FAT fa iombonana ary natsangany faran’izay maika raha vao vita tetsy Ivato ny alarobia 09 martsa 2011 ny rangopohin’ny sori-dalana. Izany ihany koa dia midika ho tsy fankatoavana ny rafitra rehetra efa napetraky ny FAT toy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) na koa ny filankevitry ny tetezamita (CT). Raha adika amin’ny teny tsotra, dia tsy nankatoavina ny fanjakana tetezamita. Tsy mahasolo sonia ny rangopohy, ary dia mbola manan-kery izay niaraka natao sonia tany Maputo sy Addis Abeba.

Raha araka ny fantatra dia nanainga ny Troika ny Filoha Ravalomanana mba handray andraikitra avy hatrany momba ny krizy eto Madagasikara. Hisy, araka ny loharanom-baovao, ny fampahafantaran’ny Troika ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC ny zava-misy sy ny fandehan’ny fanelanelanana, hahafahana mandrafitra sori-dalana ifanarahana. Nandresy izany ny tolon’ny raiamandrenin’ny nosy dia ny filoha telo nifandimby, Pr Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Marc Ravalomanana, otronin’ny vahoaka Malagasy maro an’isa sy ireo betsimiteny. Noraisin’ireo oloben’ny firenena afrikanina ny fitarainan’izy ireo. Mizotra hatrany amin’ny tokony ho izy ny tolona mba ho fiverenan’ny…ara-dalàna.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT