Politique

Tonton Ambroise “Ravao ny FAT !”


  • Alatsinainy 14 Febroary 2011

Manamafy hatrany ny tsy maintsy hamerenana ny ara-dalŕna eto amin’ny tany sy ny fanjakana i Ambroise Ravonison na Tonton Ambroise ary manitrikitrika fa mbola fitantanan’ankolafy tokana ahitana soritry ny fanjakazakana sy ny didy jadona no misy eto.

Tsy lasa lavitra ny diplaomasian’ny FAT satria ny ranomasina ny valam-parihiny, hoy ny fanambarana navoakan’ity filohan’ny antoko FRDL (Front Républicain Démocrate Légaliste) ity, ary tsy tokony ho kivy sy ho ketraka manoloana ny fampandriana adrisa sy serasera diso mivoaka etsy sy eroa ny vahoaka fa hatoky fa tsy maintsy ho heno ary eken’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitakian’izy ireo amin’ny fandavana ankitsirano ny tsy rariny sy ny fandikan-dalàna. Ampy izay ary tonga izao ny fotoana hialan’ny FAT ary dia tokony hotsaraina araka ny lalàna i Andry Rajoelina sy ireo mpiray tsikombakomba azy araka ity fanambarana ity ihany.

Manohana ny fampifanatrehan ny filoha teo aloha Zafy Albert sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ao anatina fandaharana manokana alefa amin’ny haino aman-jerim-panjakana koa ny FRDL mba hahafantaran’ny vahoaka manerana ny nosy ny marina rehetra sy hisian’ny mangarahara. Raha miresaka ny hoe fametrahana ny fitoniana ara-politika sy ara-tsosialy indray dia nanipika mazava i Tonton Ambroise fa mila avoaka aloha ny gadra politika rehetra, arodana ny rafitra rehetra ao anatin’ny FAT, arindra sy hatsaraina ny fiainan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny ka ny filankevitry ny filaminana sy ny fadriampahalemana no hiandraikitra izany, ary farany dia hajaina sy hampiharina ireo fifanarahana iraisam-pirenena. Ho an’ny FRDL dia tokony tsy hisalasala handray ny andraikiny ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay efa mahafantra tsara ireo antoko politika tia tena sy tsy mataho-tody nanasonia ilay sori-dalana petatokon’i Simao.

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT