Politique

Tonton Ambroise «Miha sarotra ny toe-draharaha»


  • Talata 10 Mey 2011

Tato anatin’ny roa taona izao, tsy nisy zava-banona teto amin’ny firenena. Vao mainka aza miha sarotra ny toe-draharaha, hoy ny Front Républicain Démocrate Lagaliste (FRDL), tarihin’i Tonton Ambroise.

 Hatreto aloha, araka ny fanazavana dia tsy misy fahavononana demokratika sy fandeferana mba hisiana fiombonana politika marina hamoahna an’i Madagasikara amin’izao krizy izao ny ampahan’olona nanao sonia ny satan’ny soatoavina, ny fifanarahana politika tany Maputo. Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena àry dia miantso ireo mpiray tanindrazana rehetra ny FRDL hiray feo amin’ny ilay hoe “ny lalan’ny fahamarinana ho an’ny tombontsoan’ny firenena malagasy”. Araka ny fanazavana, hisiana fitoniana politika, hisorohana ny valifaty sy ny fifangaroan-tombontsoa dia tokony hohenoina ity lalana tsy momba ny atsy na ny eroa ity amin’ny fametrahana tetezamita tsy momba ny atsy na ny eroa, hiaraha-mitantana ary hinoan’ny rehetra.

Araka izany, hohamafisin’ny FRDL ny asa efa natombony dia ny fanentanana eny anivon’ireo masoivoho, ny sehatra iraisam-pirenena. Ho an’ny FRDL, zavatra efatra no takian’ny Malagasy dia ny hialan’i Andry Rajoelina sy ny tariny tsy misy adihevitra, ny fanajan’ireo nanao sonia ny satan’i Maputo sy Addis Abeba izay voasonia ao ary ny momba ny fandraisan’ireo mpitantana ny tetezamita tena izy amin’izay fifidianana hatao eo na tsia izay miankina amin’ny hoe hamaritana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Raha toa ka hisy fanelanelana tena izy aorian’ny 20 mey, hoy ihany ny FRDL dia tokony hotarihin’ny CNOSC izany ary eo ambany fiahian’ny SADC.

 

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT