Politique

Tondrozotran’ny SADC Hanao sonia ny «Comité de rédaction»


  • Alarobia 09 Martsa 2011

Hivadika pejy iray manomboka ny alarobia 9 martsa ny eto amintsika, hoy ireo antokon’olona mpanao politika voafidy ho ao amin’ny «Comité de rédaction» nanatanteraka ny fifampiresahana taorian’ny dinika natao teny Ivato tamin’ny 02 martsa teo.

Tonga eo amin’ny farany ankehitriny ny famahana ny krizy, hoy izy ireo. Raha tsy misy ny sampona amin’ny ora farany dia tokony hatao sonia ny tondrozotra avy amin’ny SADC. Ny mahasamihafa an’ity fanaovan-tsonia indray mandeha ity, hoy ny fanazavana dia ny Dr Simao mihitsy no nilaza, fa «version finale» io tondrozotra io. Tapitra tanteraka ny fifampidinihana ka hampiantso izay rehetra vonon-kanao sonia izy. Mazava ny voalaza ao anatin’io tondrozotra io, hoy ny feo teny Antaninarenina omaly fa hitambaran’ny rehetra ny andraikitra amin’ny fanatanterahana izay voalaza ao ary mandra-pahavitan’ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra dia ry zareo mpanelanelana iraisam-pirenena no hiantsoroka ny fanaraha-maso sy fanatanterahana izany.

Nomarihan’ity «Comité de rédaction», nahitana an-dry Alain Andriamiseza, VyVato Rakotovao, Paraina Auguste, Charles Aimé, Ramanantsoa Benjamina, Alain Tehindrazanarivelo, Manantsoa Victor, Hery Rakotobe … ary ny vavy tokana nankalaza ny 8 martsa tamin’ny resaka politika dia Rtoa Elia Ravelomanantsoa, fa fanehoana ny fahavononana ara-politika ilay rangopohy natao teny Ivato. Ny zavatra tsapa tao anatin’ny herinandro niasanay, hoy izy ireo, dia nisy fahalalahan-tsaina teo amin’ireo antoko politika rehetra nifampidinika ary betsaka no nampandefitra ny hambom-pony mba hialan’ny Malagasy amin’ny krizy. «Ilay hoe fivoahana amin’ny krizy tsy hoe tapitra eo izany krizy izany», hoy Rtoa Elia Ravelomanantsoa, «fa manomboka eo no mivaha tsikelikely izany raha ny marina». Tsy niova moa ny valin-teny nomen’ireo mpanao politika ireto ny mpanao gazety fa rehefa misy tsy vonona amin’ny fanaovan-tsonia dia miditra ho antoko mpanohitra izy. 

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT