Niteraka resabe omaly ny momba ny taratasy lasitra, teraka taorian’ny fivoriana tsy ara-potoana tany Windhoek Namibia ny 20 mey, ary naroson’ny SADC tamin’ireo vondrona politika tao Gaborone hamahana ny krizy eto Madagasikara.
Samy manana ny fandikany ny teny anglisy mantsy ny tsirairay ka mandrirotra araka izay hitiavany azy. Ny ankolafy Ravalomanana manokana dia namaly avy hatrany ny tolo-kevitry ny SADC io. Heveriny fa tokony hotovanana sy hitsiana ny sasantsasany amin’ireo teboka ao anatin’izany tondrozotra izany. Momba ny famotsoran-keloka na ny amnistia dia heverin’ny ankolafy Ravalomanana fa tokony ho ny tetezamita tena izy, izany hoe ilay tenierana sy handraisan’ny rehetra anjara no handinika ny momba io amnistia io. Tsy tokony hisy fepetra ihany koa. Ny momba ny filoha Marc Ravalomanana manokana dia heverin’ny ankolafy misy azy fa tsy tokony hanankery ny didim-pitsarana navoakan’ny FAT manameloka azy satria fitsarana tsy araka ny tokony ho izy no natao ary dia tokony horaiketina anatin’ilay tondrozotra izany.
Efa nalefa eny anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena misahana ny ady heloka ity raharaha ity. Ankoatra izay dia heverin’ny ankolafy Ravalomanana fa tsy tokony hitanila, handraisan’ny rehetra anjara ny governemantan’ny tetezamita. Noho izany, tsy eken’izy ireo ny hitantanan’i Andry Rajoelina izany tetezamita izany. Tokony ho avy amina antoko samihafa ihany koa ny filoha sy ny praiminisitry ny tetezamita ary tokony hametra-pialana enim-bolana mialoha ny fifidianana izay ho filoha eo na iza izy na iza. Mikasika ny fiverenana an-tanindrazan’ireo filoham-pirenena roalahy indray dia mihevitra ny ankolafy Ravalomanana fa tsy tokony hisy fepetra intsony izany fa afaka mody avy hatrany izy ireo ary afaka mandray anjara malalaka amin’ny raharaham-pirenena eto an-tanindrazana.
Ankoatra izay, eo koa ny famoahana ireo gadra politika rehetra tsy ankanavaka, ny fampitsaharana ny fisamborana sy ny fanagadrana ary ny herisetra, eo koa ny fametrahana fandriampahalemana sy ny filaminana, ny fampisarahana ny politika sy ny tafika ary ny fahalalahana maneho hevitra. Raha vao voasonia ilay tondrozotra dia tokony hanankery avy hatrany. Hatreto tokoa aloha dia tsy misy antoka ny fampiharana izay fifanekena voasonia ka asa izay ho fanapahan-kevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Na inona tokoa moa fihaonana hatao sy fifanekena soniavina raha tsy hampiharina dia zava-poana daholo sy aina very maina ihany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.