Mafanafana indray ny tontolo politika ao Tolagnaro, renivohitry ny Faritra Anôsy. Manenjana ny fitakiany amin’ny fanesorana amin’ny toerany ny lehiben’ny Faritra, Randriantefiarison Guillaume Vénance, mantsy ireo mpikambana ao amin’ny FA.MI.ZO. (FAradofay MItaky ny ZOny).
Ny tolakandron’ny alatsinainy 2 mey teo dia nifamotoana tao amin’ny Resto Les Chasseurs Tanambao ireo mpikambana maherin’ny efapolo, niaraka amin’ireo olona nasaina mitotaly 200 mahery. Fanazavana ny zava-misy ao an-drenivohitra Anôsy sy famelabelaran-kevitra no nataon’ny Famizo tamin’izany. Nisy ny fandraisam-pitenenana malalaka tamin’io ka saika niompana manontolo tamin’ny zava-tsy mety ka mampihemotra ny asa fampandrosoana ny faritra no navoitra. Vaky bantsilana manodidina ny tsy fahaiza-mitantana, indrindra ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana ny tamberimbidy avy amin’ny tetikasa fitrandrahana fasimainty, ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny olana izay mazàna miteraka olam-piarahamonina, ny tsy fandriampahalemana, trafika “bois de rose”, fotodrafitrasa, jiro… no nameno ny fotoana tamin’io, izay naharitra ora telo teo. Ho an’ny Famizo dia ny fanesorana ny lehiben’ny faritra tamin’ny toerany no fanafodin’izany rehetra izany.
Ny mampalahelo anefa, hoy ireto mpikambana nanomana ity fihaonana ity dia misy minisitra miaro ny sezan’ity lehiben’ny faritra Anôsy ity amin’ny fanesorana azy. Misy aza sahy nijoro ho vavolombelona mihitsy milaza fa tsy misy olona afaka manaisotra azy raha tsy io minisitra io ihany. Tsy fantatra izay tena ambadik’izany. Amin’izao fotoana izao dia mikononkonona hidina an-dalambe indray ireo vahoaka mitaky ny fanesorana ny lehiben’ny faritra ity. I Soja Jean André na i Kaleta raha nandalo tany Tolagnaro ny tapatapaky ny volana aprily teo dia nanankiana mafy ity Lehiben’ny Faritra Anôsy ity.
Nambaran’i Kaleta nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony ny alarobia 13 aprily fa “tokony hiala amin’ny toerany ny lehiben’ny Faritra rehefa ilaharan’ny olona an-dalambe fa tsy mibodo toerana”. Nanaovan’ity Senateran’Anosy voafidy tamin’ny lisitra Tiako i Madagasikara ity, vaky bantsilana koa ny fitantanana ao, ka nilazany fa tsy hita izay vitan’ny Lehiben’ny Faritra amin’ny tamberim-bidy azo avy amin’ny QMM. Nankinin’i Kaleta tamin’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT sy i Camille Vital, praiministra, moa ny andraikitra hitazonana amin’ny toerana na tsia ity Lehiben’ny Faritra Anosy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.