Politique

Toamasina II Mifaninana ny TGV sy ny MTS


  • Zoma 20 Mey 2011

Mifaninana manao fitetezam-paritra ireo antoko politika mihevitra ny handrotsaka olona amin’ity fifidianana ambara lava fa hatao ato ho ato.

 Samy manezaka mafy amin’izay ho afany ireo mpanohana ireo te ho kandida ireo, ary efa manao fanentanana ankolaka ihany koa. Ny faran’ny herinandro teo izao, samy nanovokovoka tao Toamasina II ny MTS an’ingahy Roland Ratsiraka, izay filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, sy ny TGV tarihin’ny Sekretera lefitra misahana ny faritan’i Toamasina, Rtoa Naharimamy Lucien Irma. Ity farany izay filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita koa. Nanao izay ho afany tao amin’ny kaominina Ambodilazana sy Ifito ny iraky ny MTS, ny faharoa kosa nanararaotra ny andro natokana ho an’ny fianakaviana nankalazaina tao amin’ny Kaominina Andondabe, ho an’ny Faritra Atsinanana.

Samy namory olona, samy nanazava ny toe-draharaham-pirenena araka ny fahitany azy avy, ary samy niezaka namaha ny olana ara-tsosialy tamin’ireo Kaominina nandehanany avy, fa ny tao Ambodilazana nisy ny MTS dia ny olana teo amin’ny Ben’ny tanàna sy ny filohan’ny mpanolotsaina no nalamina manokana. Nitovy ihany koa ny fanampiana natao mba ho hitan’ny olona amin’ny fifidianana fa mijery sy mitsinjo vahoaka, saingy ny tanora no ifandrotehana amin’ny lalao ara-panatanjahantena. Niavaka kosa ny an’ny TGV tao Andondabe izay niampy fizarana vatomamy sy bisky ho an’ireo zaza fa fetin’ny fianakaviana rahateo no natrehina ary fanolorana ny tambin-karaman’ireo sefom-pokontany miisa 50 eo anivon’ny Kaominina. 30.000 ho an’ny filoha sy 15.000 ariary ho an’ny lefiny iray avy, tambin-karama tsy azo efa ho efa-bolana dia ny volana janoary, febroary, martsa ary aprily 2011. Ankoatra izay, mbola nitohy ao Andranobilaha ny fitetezam-paritry ny MTS ny talata, raha naka aina kosa ny TGV. Resaka «antsegna somby antsegna» moa izy ity tsy misy bedy na dia efa propagandy mialoha ny fotoana aza no ataon’ny sasany.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT