Politique

TIM Ravalomanana Ny tenierana ihany !


  • Alarobia 16 Febroary 2011

Tsy tokony hiroaroa saina amin’ny fandalovan’ny solontenan’ny OIF eto Madagasikara ankehitriny ny vahoaka, hoy ry zareo ao amin’ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara mivory tsy tapaka ao amin’ny foiben-toerany ao Bel’Air.

Fanaraha-maso ny fomba mety hanatanterahana ny fifidianana ho avy no ataon’izy ireo, hoy ny fanazavana azo ary mijery ihany koa hoe : efa mitoetra tsara ny resaka fiaraha-mitantana sy fifanarahana hirosoana marina amin’izany fifidianana izany. Amin-dry zareo antoko Tiako i Madagasikara miara-dia amin’ny Filoha Ravalomanana ireto tsy matahotra fifidianana na inona na inona izany ry zareo fa kosa miankina amin’io fifanarahana sy fiarahan’ny rehetra mikarakara miaraka amin’ny fankatoavan’ny vondrona iraisam-pirenena no hirosoan-dry zareo amin’izany.

Nanambara koa ry zareo ireto fa tsy misakana velively ny hanatanterahana ny fanisam-bahoaka ankehitriny fa rehefa ho tonga kosa ny fotoana hirosoana marina amin’ny fifidianana dia tsy maintsy handefa olona eny anivon’ny Fokontany rehetra manerana ny Nosy hanara-maso ny lisi-pifidianana voarafitra izy ireo sao sanatria dia misy ny olona avy ao aminy tsy tafiditra ao anatin’izany. Tsy hisy ny fandravana ny rafitra mipetraka avy amin’ny TIM, hoy ny feo heno teny Bel’Air.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT