Elatra roa nisintaka tao amin’ny Tiako i Madagasikara, ary samy nandeha irery avy ny elatra Raharinaivo Andrianatoandro andaniny sy ny elatra Yves Aimé Rakotoarison ankilany.
Maro ireo nametra-panontaniana manoloana izany hoe : nifandray tendro, nampitovy tadin-dokanga ve ireto elatra roa ireto fa efa samy any an-kaikin’ny filohan’ny FAT ankehitriny ? Namaly nivantana ny fanontaniana tamin’ny alalan’ny fitafatafana fohy taminy ny Dr Vanovason Jean Adrien, izay kestora faha-2 ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sady filohan’ny vondrona parlemantera TIM eo anivon’ity rafitra ity ankehitriny. Nambarany mazava fa «amin’ny maha olona dia mifampiresaka foana izahay elatra roa ireo. Izahay rehetra koa samy niaraka daholo ihany teo aloha. Tsy misy ady mihitsy eo aminay rehetra. Tsy nifampidinika na nifampiera taminay mihitsy ny elatra Yves Aimé tamin’ireny fihetsika nataony rehetra ireny. Raha miaraka aminay amin’ny famoahana amin’ny krizy ry zareo dia vonona hifandinika ny elatra Raharinaivo fa raha hitarika anay hiziriziry amin’ny hevitra taloha kosa dia tsy momba izany izahay ary tsy hifampiresaka amin-dry zareo mihitsy».
Mikasika amin’ny mety hanendrena an’i Yves Aimé Rakotoarison amina toerana ambony ao amin’ny governemantan’i Camille Vital dia nilaza ny Dr Vanovason fa tsy mialona ary tsy malahelo amin’izany ry zareo ry tsy hanenjika azy amin’izany koa. Mirary soa ho azy aza no atao ary mirary ihany koa amin’ny fiarahana hitady hevitra hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy. Vao avy niverina avy any Vangaindrano toerana fiaviany moa ity kestora faharon’ny Kongresin’ny tetezamita ity ka nanamarika fa mandeha tsara ny fizarana ny vary mora any amin-dry zareo fa tena sarotiny amin’ny fanaraha-maso izany ny lehilahy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.