Politique

Tiko Sambaina Nanaovana latsak’alina koa


  • Talata 26 Aprily 2011

Nisy andian’olona niditra an-keriny tao amin’ny Tiko Sambaina ny alin’ny sabotsy 23 aprily teo. Tsy niditra tamin’ny vavahady ara-dalŕna izy ireo fa nitsofoka avy any an-damosin’ny tanŕna.

Teo dia efa nampisalasala. Raha olona hanao fisavana tanàna, dia sady tokony hampilaza ny tompon-trano ny fisian’izany mba hifanatrehana satria tanàna manan-tompo io, no tokony hampiseho taratasy milaza ny iraka ampanaovina azy izy ireo. Araka ny fikaroham-baovao natao anefa dia tsy nampiseho izany ireto andian’olona ireto fa avy hatrany dia nanao be fiavy. Ireo manampahefana amin’iny faritra iny koa tsy nisy nahalala ny fisian’izy ireo. Nanao ny andraikiny ireo mpiambina tao niaro ny tanàna, saingy tratry ny be no ho vitsy ka voatery nisintaka tsimoramora nanavotr’aina.

Sarotra, araka izany, no nanamarina na olon’ny lalàna na jiolahy ireto nanao latsak’alina ireto. Ny loharanom-baovao no mitatitra fa nanao kiraro «rangers» izy ireo ary misy manao akanjo «combinaison». Rehefa izay dia nitsikilokilo fiara be iray marika «Actros» mikatso ao an-toerana noho ny fahasimbany, taorian’ny fisavana sesilany natao tao amin’ity orinasan’ny filoha Marc Ravalomanana ity.

Lasa orinasa fandrafetana hazo ny Tiko Sambaina, ary i Josoa Ravalomanana, zanaka lahimatoan’ny filoha teo aloha, no nitantana azy. Misy gropy fampiasa rehefa tapaka ny jiro ao, ary dia efa noharangaran’ireto andian’olona nanao latsak’alina tamin’ny sabotsy ireto ihany koa. Niala ilay toerana izy ireo taorian’izay, ary dia nanjavona niaraka tamin’izay koa ny bisikileta roa an’ireo mpiambina tamin’io fotoana io. Ireo no hany fantatra fa very hatreto. Tsiahivina fa tamin’ny volana jolay 2010, dia niharan’ny vaky trano ity Tiko Sambaina ity, fa hoe nisy tahirina «bois de rose». Tsy re be tsy re kely intsony ny tohin’io raharaha io.


Nangonin’i Jean D.


Sary : Tiko Sambaina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT