Roa taona katroka amin’ity anio ity, raha ny datin’andro, fa tamin’ny sabotsy lasa iny kosa raha ny tsingerin’andro nisian’ilay fifampitifirana nahafatesana ain’olona maro sy naharatrana Malagasy maro ihany koa.
Maro ny zava-nitranga tao anatin’izay roa taona izay, niandoha tamin’ny fametraham-pialan’ny ministry ny fiarovam-pirenena tamin’izany, Manorohanta Cécile, sy ny nihazakazahana tamin’ny raharaham-pitsarana ka namoahana didy ny 28 aogositra 2009, manameloka ny filoha Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandrapahafaty miaraka amina manamboninahitra ary manamboninahitra lefitra maromaro, izay any am-ponja ny sasany amin’izy ireo amin’izao fotoana. Roa taona aty aoriana, manao tohivakana indray ny fijoroana vavolombelona ataon’ireo manamboninahitra ambony, nandray anjara tamin’ny hetsika fanonganam-panjakana izay niafara tamin’ny fampijoroana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.
Nanambara am-bava ary nitatitra an-tsoratra ny zava-nitranga tamin’ireny 2009 ireny, indrindra ity “raharaha 7 febroary” ity, ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina. Raha ny taratasy voalaza fa nosoratany ny 17 janoary 2011 teo, dia tifitra avy ivoho no nahafaty ny olona teny Ambohitsorohitra tamin’iny sabotsy 7 febroary 2009 iny, ary nanondro anaran’olona ao amin’ny FIS (Forces d’Intervention Spéciale) mihitsy ny tenany ho anisan’ny mpanome baiko ny fanatanterahana izany, niainga avy amin’ny andaniny roa misy ny Trésor andaniny ary ny tranon’ny ministeran’ny vola sy ny Hotel du Louvres ankilany, araka ny voasoratra hatrany. Taorian’ny nipoiran’ireny taratasy sy fijoroana vavolombelona ireny moa dia nametraka fitoriana ary nitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana Atoa Marc Ravalomanana.
Mikasika izay indrindra dia fantatra fa natao famotorana teny Tsiafahy, nandritra ny ora enina teo, ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles ny alakamisy teo. Ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana no tonga teny amin’ity fonja ity nanao izany famotorana izany. Mikasika ny fitorian’ny filoha Ravalomanana nanoloana ny fanambarana nataon’ity manamboninahitra ity mikasika ny fanonganam-panjakana nitranga teto amin’ny firenena tamin’ny 2009 no fantatra fa anton’ity famotorana ity. Araka ny tsiliantsofina dia tranga maro no noresahan’ity manamboninahitra ity tamin’io fotoana nanaovana famotorana azy io. Taorian’ny filazana nataony tamin’ny haino aman-jery teny amin’ny tribonaly tamin’ny fiandohan’ny taona dia tsy nahazo niala teny Tsiafahy intsony ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles. Ireo mpitsara manao famotorana azy no mankeny an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.