Voaporofon’ny boriborintany faha-III eto Antananarivo Renivohitra tamin’ny lanonam-pifampiarahabana nahatratra ny taona 2011 tamin’ny sabotsy teo, tetsy Ampandrana, fa velona ary manana ny maha izy azy ny antoko Tiako i Madagasikara miaraka amin’ny Filoha Marc Ravalomanana.
Hita taratra teo amin’ny fahamaroan’ny mpikatroka sy ny vahiny tonga tao izany, izay nifanohana eny hatramin’ny fikarakarana rehetra. Nanome voninahitra ny fihaonana i Fetison Rakoto Andrianirina, niarahaba sy nampahery ireo voatendry hiantsoroka ny adidy mankadiry hitantana ny antoko. “Manomboka mifoha amin’ny torimasony ny TIM ary afaka mampiseho fa lohalaharana”, hoy ny Sekretera Jeneraliny, Mamy Rakotoarivelo. Nambarany fa ny fanetsehana ny fototra (Fokotim, Distim, Regtim) no himasoan’ny antoko izao. Tsy manilika n’iza n’iza izahay fa nomena andraikitra hafa hosahanina ny Filoha Fetison, hoy izy, izay nanambara fa misy ny tetika amin’ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana saingy tsy filaza avokoa ny paikady rehetra. Zava-droa loha amin’ny ankapobeny no voalazan’ity SG TIM ity fa sakana ho an-dry zareo amin’ilay sori-dalan’i Simao dia ny fahefana be loatra nomeny ny mpanongam-panjakana hanendry ireo tompon’andraikitra mahefa samihafa eto amin’ny firenena ary ny hoe tsy fahafahan’ny Filoha Marc Ravalomanana miverina an-tanindrazana nefa izy lany tamin’ny 54% tamin’ny 2006.
Niditra nivantana an-tariby tao amin’ity lanonana tetsy Ampandrana ity, ny Filoha Marc Ravalomanana niarahaba manokana ny avy amin’ny Boriborintany faha-3 ary nanentana azy ireo mba hanaraka tsara ny toromarika omena. “Hiezaka isika hitazona ny firaisankina”, hoy izy, “ary hitandro ny soatovina malagasy”. Nanamarika izy fa tsy voafehy ny vidin-tsakafo sy ny fahasahiranana samihafa raha tsy azo ny fankatoavana iraisam-pirenena. “Tsy manaiky izany sori-dalan’i Simao izany isika”, hoy ny Filoha Ravalomanana, “fa hanao vaovao”. Fantatra tao fa nanatanteraka lanonana teny Imerinkasinina koa ny TIM Avaradrano ary any Ambohimandroso indray ny rehetra no hifamotoana amin’ny faha-27 febroary ho an’ny TIM Faritra Vakinankaratra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.