Politique

Thu-Jaune Horace Mann Tsy izy ny fiziriziriana amin’ny hevitra tokana


  • Talata 25 Janoary 2011

Anisan’ireo tompon’andraikitra mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), miara-dia amin-dRaharinaivo Andrianatoandro tonga nanotrona ny lanonana fifampiarahaban’ny TIM Analamanga ny nahatrarana ny taona vaovao teny Ankorondrano tamin’ny sabotsy 22 janoary ny senatera teo aloha Thu-Jaune Horace Mann.

Nisy hafatra fohy nampitain’ity filoha lefitry ny CST ity, ho an’ireo Senatera tamin’ny fitondrana teo aloha niaraka taminy milaza ny hoe : "Jereo ny vahoakanareo eny anivon'ireo Kaominina nosahaninareo fa mijaly. Tsy ny fiziriziriana amin'ny hevitra tokana intsony mantsy izao no tokony hampanjakana, fa izay hisian'ny fitoniana sy filaminana ahafahana mivoaka amin'ny krizy eto amintsika».

«Efa ezaka tsara ny filazan'Atoa Ravalomanana Marc tamin'ny kabariny ny fiandohan'ny taona teo», hoy izy, «fa ny fihavanana sy fifampiresahana no tokony hampanjakaina ankehitriny. Tsy tokony hiziriziry amin'ny heviny fotsiny ireo avy amin'ny ankolafy Ravalomanana araka izany fa raha tena te hamoaka ny vahoaka malagasy sy ny firenena amin'izao krizy izao, dia tsy misy afa tsy ny fanarahana ireo dingana rehetra efa notanterahana, anisan'izany ny firotsahana hiara-kitantana sy hiaraka hiasa eo anivon'ny fitondrana tetezamita. Vonona hatrany ny hifampiresaka amin'izy ireo izahay raha toa ka manana risipo amin'izany izy ireo». Raha ny fahitan’ity filoha lefitry ny CST ity ny zava-misy ankehitriny tahaka ireo namany izay niova lasy miaraka amin’ny fitondrana FAT dia ny mifanohitra tanteraka amin'ity antso ho an'ny fihavanana sy fifampiresahana no ataon’ny ankolafy mpifanandrina amin’izy ireo mivantana.

Manohy 

sary : Thu-Jaune Horace Mann, filoha lefitry ny CST

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT