Politique

Tetiandrom-pifidianana Hisy indray ny dinika politika vaovao


  • Talata 17 Mey 2011

Raha ny firesak’i Andry Rajoelina tamin’ny fahatongavany avy any Eoropa no dinihana dia tsy maintsy hisy indray izany ato ho ato ny kazarana fihaonambe hamaritana ny daty hifanarahan’ny ankolafy rehetra fa hanaovana ny fifidianana, sy hijerena ihany koa ny fifidianana halefa mialoha.

 Hatramin’izao aloha dia ny fifidianana solombavambahoaka no nambara fa tokony hatao mialoha mba tsy hiverenan’ny nitranga hatramin’izay hoe fampandaniana ny kandidam-panjakana fotsiny sisa no atao fa tsy fifidianana solombavambahoaka tena izy. Hatreto mantsy dia tsy mbola fantatra mazava ny datim-pifidianana ary samy mbola manana ny filazany ireo etamazaoro politika.

Araka ny re dia hisy indray ny fampiantsoan’ny fitondrana tetezamita ireo antoko politika ato ho ato mba handinihana indray ity resaka fifidianana ity sy handresena lahatra ireto farany mba handray anjara satria izay ihany no tena vahaolana mahomby hialana amin’ny krizy. Io fihaonana io, araka ny resaka mandeha ihany no tena kazarana fiala-nenina farany ataon’ny FAT amin’ireo ankolafy politika izay tsy mbola nety niditra tao anatin’ny rafitry ny tetezamita hatramin’izao, sy hanapahana miaraka ihany koa ny tetiandrom-pifidianana mba hialana amin’ny hoe fanapahan-kevitr’ankolafy tokana ilay izy. Koa rehefa vita io fihaonana io dia izay no izy fa tsy hisy intsony ny fihaonana etsy sy eroa fa hanohy ny lalany ny fitondrana tetezamita ary hiainga amin’izay ny sambo. Tena Miankina amin’izay mety hambaran’ny SADC anefa izany rehetra izany. Miandry ny amin’ny zoma ho avy izao ny rehetra.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT