Politique

Taratasin’ny Kly Charles «Sora-tanany ireny», hoy ny havany


  • Zoma 28 Janoary 2011


“Salama saina tsara tsy araka ny ahiahin-dRtoa ministry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles. Ary hamafisinay fa sora-tanany koa ireo taratasy mirakitra ampamoaka miely ankehitriny”, hoy ireo havana akaiky ity manamboninahitra ambony avy amin’ny andiany faha-19, nalaza tamin’ny taona 2009 ity, izay voatana am-ponja ao Tsiafahy ankehitriny, taorian’ny raharaha BANI. Araka ny fanazavan’ireto havan’ny Kly Charles ireto hatrany dia tohina tamin’ny tenin-dRtoa ministra izy ireo.

Taorian’iny ampamoaka nataon’ity tale taloha, mpiara-mitantana ny FIS ity, ny 05 janoary 2011 nandritra ny fotoana nitondrana azy tao amin’ny tribonaly mba hohenoin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana, ka nilazany fa in-droa nanongam-panjakana izy Andry Rajoelina, dia nanapa-kevitra ny fitsarana fa tsy hakarina aty Anosy izy ireo fa raha misy fanadihadiana hatao mahakasika iny raharaha BANI iny dia ny mpitsara avy aty Anosy no midina any Tsiafahy. Araka ny fantatra àry, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany, dia hanatanteraka izany any an-toerana ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana amin’ity anio ity.

Azo antoka fa dia tohin’ny fanazavana nataon-dRtoa ministry ny fitsarana mikasika ny fahitan’ny FAT ireny taratasy nataon’ny kly Charles sy ny jeneraly Rakotonandrasana Noël ireny, ka nitarika ny filoha Marc Ravalomanana nametraka fitoriana roa sosona no aton’izao, andaniny hanamarina na sora-tanan’ireo manamboninahitra ireto tokoa ireny, ankilany mety hijery koa raha anaty fitonian-tsaina no nanoratana azy na an-tery. Mandeha anefa ny resaka fa dia tetika hitadiavana izay hirika rehetra hilazana fa tsy azo raisina ny fitorian’i Marc Ravalomanana ary dia tsy hisy tohiny izany avokoa izao !

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT