Politique

Tantely Andrianarivo “Tsy laharam-pahamehana ny fifidianana”


  • Alatsinainy 09 Mey 2011

Tsy nahazo alalana hitsidika ireo voafonja ao Arivonimamo ny praiministra teo aloha Tantely Andrianarivo raha nikasa hanatitra fanampiana sy hampahery azy ireo ny tenany.

Tao amin’ity fonjan’Arivonimamo ity moa no nihazonana azy nandritry ny telo volana ny taona 2002. Na tsy afaka nitsidika ireo voafonja tao aza moa ny tenany dia afaka nitafa tamin’ireo mpiara-dia aminy. Tamin’izany no nilazan’i Tantely Andrianarivo fa ny Fampihavanana aloha no tokony himasoana amin’izao fa tsy ny fifidianana. Nambarany fa mbola betsaka ny zavatra tokony hojerena mialoha ny hirosoana amin’izany fifidianana izany. Santionany amin’ireny, araka ny fanazavany, dia atahorana ohatra ny tsy hahalavorary ny lisi-pifidianana raha hikirizana tontosaina amin’ny volana septambra 2011 izao ihany ny fifidianana.

Tsy mbola hita koa hatramin’izao ny momba ny famotsoran-keloka faobe sy ny lalam-pifidianana izay samy tokony handalo eo anatrehan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Anisan’ny fantrakan’ny tsy fahatomombanana, raha ny fanazavan’i Tantely Andrianarivo ihany ny mety ho fahavitsian’ireo mpifaninanana. Momba izay fifidianana izay ihany dia tsy mbola fantatra na hirotska hofidiana ny tenany na tsia. Fantatra kosa anefa fa miezaka mijery lalam-bola vahiny matanjaka ny lehilahy. Ao anatin’izany ny diany any Dubai sy Abou Dabi.

Nangonin’i Soa

Sary : Tantely Andrianarivo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT