Politique

Tanoran’i Marc Ravalomanana «Tsy vahaolana ny fizirizirian’olon-tokana»


  • Zoma 01 Aprily 2011


Nanavao ny birao mpitantana azy ny Tanoran’i Marc Ravalomanana. Nanangana komity mpandrindra nasionaly vonjimaika izy ireo hahafahany miatrika kokoa ny fanatanterahana ny tanjony. Tsy inona fa ny famerenana ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana, izay hany toavin’izy ireo ka andraisana toromarika, ary koa ny fampandaniana azy indray amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Manamafy ny fitakiana efa nataony ny TMR dia ny hamoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra mba hisian’ny fitoniana politika sy hilaminan’ny fiarahamonina. Mampahatsiahy koa izy ireo fa tsy vahaolana velively ny fizirizian’olon-tokana hitondra samy irery ny firenena Malagasy, fa fifanarahan’ireo ankolafin-kery tsy ankanavaka irery ihany no ahafahana mametraka tetezamita tena izy, sy manatanteraka fifidianana malalaka, mangarahara, eo ambany fanaraha-mason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT