Nampiaka-peo ireo Tangalamena ao Toamasina noho ny fisandohana ny anaran’izy ireo, nandritra ny fanambarana nataon’Atoa isany Raveloson Georges sy Ramandimbison, izay nitonona ho misolo tena ny fikambanana Tangalamena Betsimisaraka nanao fanambarana fanohanana ara-politika sy araka olona politika tan-gazety mpivoaka isan’andro teto an-drenivohitra.
«Aza sandohana ny hasin’ny Betsimisaraka», hoy ireo Tangalamena izay neken’ny rehetra hitondra ny teniny, nahitana an’i Marorazana Pierre (Tangalamena) sy ny Olobe isany Naivo Michel sy Ralaimampionona Dimby. Tsy napetraka fahatany na hitonona ho samy Tangalamena avokoa izay olona te hitonona izany, fa misy ny fepetra sy lalanan-drazana arahina mametraka izany maha Tangalamena izany. Nambaran’izy ireo fa «tsy mbola nilaza na taiza na taiza izahay fa manohana an’Atoa Zaza Ramandimbiarison ho praiministry firaisam-pirenena izany. Ireo nilaza ho nanao izany dia sady misandoka ho Tangalamena no manosihosy ny hasina maha Betsimisaraka mihitsy». Nambaran’izy ireo hatrany fa «manana zanaka maro monina ao Antananarivo azo hapetraka ho praiministra iraisana i Toamasina, ka raha misy ny hevitra entin’ny fitondrana tetezamita hametraka izany, dia efa nahazo tso-drano tamin’izy ireo ireto zanak’i Toamasina manampahaizana ireo».
Voalaza hatrany fa tsy mifindra monina ny maha Tangalamena izany, ny tehana Tangalamena Betsimisaraka dia mbola ao Toamasina, ka Atoa isany Edmond François sy Marorazana Pierre ihany no mpihazona izany ao Toamasina ao, ary raha aty Antananarivo kosa dia Atoa Patrice Zakarihasy, zanak’Andovoranto Brickaville no misolo tena sy mihazona izany tehina izany izay efa neken’ny rehetra. Ankoatra izay, dia nolazain’ireto fikambanana Tangalamena sy Olobe ao Toamasina ireto fa “Loholon’ny fiarahamonina Betsimisaraka izahay, ka raha misy fanapahan-kevitra horaisina, na ara-tsosialy izany, na ara-pomban-drazana, na ara-politika amin’ny maha mpandrindra fiarahamonina anay, dia tsy maintsy hifampierana sy hifanapahana ny fanapahan-kevitra horaisina, satria ny tenin’ny maro ihany no mahataka-davitra, ary ny teny ifampierana tsy ahitana romoromo».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.