Politique

Tafika Malagasy Hesorina ny CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona


  • Zoma 18 Febroary 2011

Mihazakazaka ny fivoaran’ny raharaha eto amin’ny firenena taorian’ny nanamafisan’Atoa Marc Ravalomanana fa hiverina an-tanindrazana izy rahampitso sabotsy 19 febroary.

Hita ho tsy mahatombina ny mpitondra ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, raha ny fahitana ny zava-niseho omaly. Nisafidy ny hizara akanjo sy kiraro ho an’ny tafika i Andry Rajoelina raha toa ka Malagasy an’aliny no miantso vonjeo satria traboina vokatry ny rivodoza Bingiza. Misy ny maty, ao ny tsy hita popoka, maro ny rava fananana tao anatin’ny in-dray mipi-maso noho io loza io, fa naleon’ny mpitondra ankehitriny manao fety sy pi-maso amin’ny miaramila, fa sao … Taorian’izay dia nahoraka ny mety hanalana amin’ny toerany ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy, ny jeneraly Ndriarijaona André.

Avy amin’ny andiany faha-11 ity farany, noho izy misabaka tsy hita hamaharana no toa anton’izao fanesorana izao. Efa tamin’ireny raharaha BANI ny volana novambra 2010 ireny no nandeha be io feo io saingy nandrahona ny tsy hipetra-potsiny koa izy raha esorina amin’ny toerany dia tonitony tao ilay raharaha dia izao mipongatra izao indray. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny tafika dia ny jeneraly Raharijaona, anisan’ireo vao nasondrotra grady ny desambra 2010 ary iray andiany (faha-10) amin’ny jeneraly Camille Vital sady mpiara-miasa eny Mahazoarivo eny rahateo, no mety hasolo azy amin’ny fibaikoana ny tafika Malagasy. Anio moa no hahafantarana misimisy kokoa ny fivoaran’io vaovao io, na hijanona ho toy ny tamin’ny novambra 2010 koa.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT