Fampitam-baovao maro no nentin’i Tabera Randriamanantsoa tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Nambarany fa hisy iraka avy any Afrika Atsimo hijery ny zava-misy eny an-kianja amin’ity anio ity, ka nanentanany ireo mpitolona ho avy maro.
Nambarany koa fa misy iraky ny filoha Ravalomanana avy any Afrika Atsimo nihazo an’i Mozambika nampahafantatra fa tsy nety ny asa fanelanelanana nataon’ny Dr Simao. Araka ny fantatra dia niala ny alatsinainy hariva tany Afrika Atsimo ity iraka ity, ary omaly ihany dia efa nisy fihaonana tamin’ny mpitondra Mozambikana, fihaonana izay mbola hitohy amin’ity anio ity. Fahombiazana ny dian’izy ireo hatreto. Ankoatra izay dia nambaran’i Tabera fa hisy delegasiona hanatitra taratasy eny amin’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Ankorondrano, amin’ity anio ity, hampahalala ity farany koa fa tsy mety ary tsy ekena iny sori-dalan’i Simao iny.
Fa nanaitra ny maro ny nilazan’i Tabera fa nisy miaramila nihaona tamin’izy ireo ary nilaza fa hijoro tsy homba ny atsy na ny aroa ary nampanantena fa raha misy kosa manakorontana ny olona manao fihetsiketsehana am-pilaminana dia ho avy izy ireo. Nanaitra koa ny filazany fa misy mpitondra ao amin’ny FAT milaza ny hanao ampamoaka mikasika ny fandaniana mihoapampana sy ny halatra niseho tato anatin’izay roa taona izay rehefa tonga ny fotoana. “Tsy maintsy mijoro hanavotra ny firenena ny ankolafy 3”, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Nambarany moa fa dia hisy raha eto mialoha ny 31 martsa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.