Efa nampoizina ihany ary hita mihitsy fa sinema ny fanendrena an’i Camille Vital ho praiministra, araka ny nambaran’i Tabera Randriamanantsoa avy amin’ny ankolafy Zafy Albert.
Mandika tanteraka ilay sori-dalana izany hoy izy, satria voalaza mazava ao fa tsy mitovy ankolafy amin’ny filohan’ny tetezamita ny praiministry ny marimaritra iraisana. Ny rehetra anefa, hoy ihany ity mpikambana amin’ny ankolafy Zafy ity dia efa hatry ny ela no nahalala tsara fa iray tarika ihany i Andry Rajoelina sy Camille Vital. Aminy dia tsy misy azo antenaina amin’ny governemanta hijoro eo ary azo antoka fa tsy hanaiky an’izany ny sehatra iraisam-pirenena, satria tsy mbola ahitana taratra mihitsy ny fiaraha-mitantana ny zava-misy amin’izao fotoana, fa dia ireo mitovitovy hevitra ihany no miaraka sy mifamadibadika toerana eo, hoy ihany i Tabera Randriamanantsoa.
Ny mampalahelo fotsiny, araka ny nambarany dia ireo namana mpanao politika sasany avy ao amin’ny Ankolafy telo, namadika palitao ka nanaiky ny hiditra amin’ny zavatra hafahafa tsy ho lasa lavitra io. Mikasika ny raharaha Mamy Rakotoarivelo kosa dia tsy nisalasala ity mpitari-tolona ao amin’ny Ankolafy telo ity nilaza fa misy ambadika politika ny fanenjehana sy fanagadrana ity mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ity. Tahaka izao indrindra no nambarany : “Nosamborina sy nogadraina i Mamy Rakotoarivelo satria tsy nety nanao rangopohy ilay sori-dalana teny Ivato, efa izany no fomba fanaon’ny FAT dia ny manenjika sy managadra ireo rehetra tsy mitovy hevitra aminy, na tsy mety miaraka aminy”.
Nanamafy i Tabera Randriamanantsoa fa tsy miova ny tanjon’ny Ankolafy telo dia ny fametrahana tetezamita iaraha-mitantana eken’ny ankolafy politika eto Madagasikara sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ary fanatanterahana ny tena fampihavanam-pirenena, izay efa azo atomboka sahady amin’ny alalan’ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ny famelàna ireo filoha mirahalahy teo aloha hody an-tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.