Politique

Sori-dalana vakiraoka ny an’i Simao Handrafitra vaovao ny SADC


  • Alakamisy 10 Febroary 2011

Herinandro katroka anio alakamisy no nialan’ilay diplaomaty mozambikana, Dr Leonardo Simao, teto Madagasikara.

Nandroso sori-dalana heveriny hivoahana amin’ny krizy ity iraky ny mpanelanelana avy amin’ny SADC ity, andro vitsy nialoha ny niaingany, saingy mbola teto an-toerana izy dia efa nanao tohivakana ny fahatongavan’ny setrin’ilay sori-dalana tany aminy. Fa tao anatin’izay herinandro izay koa dia na firenena iray aza tsy nisy nilaza tamin’ny fomba ofisialy fa manaiky ka manohana ny fampiharana iny sori-dalana naroson’ny Dr Simao iny, eny fa na ireo mpikambana ao anivon’ny vondrona SADC aza. Ny hany voamarika dia ry zareo ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny amin’izao fitondrana FAT izao no tsy mahatombina ka mandefa serasera milaza fa nankatoavina, hono. Ny zava-misy dia tsy nahafaly ireo diplaomaty vahiny miasa eto Madagasikara iny sori-dalana naroson’ny Dr Leonardo Simao iny.

Misy amin’izy ireo mihitsy aza no nilaza fa tsy fanta-piaviana ilay izy. Na dia ry zareo Frantsay izay malaza ho manohana izao fitondrana izao aza re fa mbola handroso soso-kevitra. Izay no midika fa tsy laniny ilay sori-dalana. Taratra amin’io fihetsiky ny Frantsay io koa anefa fa na ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza izany mbola hitondra fanitsiana. Raha ny akom-baovao re hatry ny omaly eo anivon’ny SADC indray, dia voaray tokoa ilay sori-dalana saingy fantatra fa tsy nahafaly azy ireo satria dia mivaona tanteraka amin’ny foto-kevitry ny SADC. Ny SADC izay anisan’ny Vondrona nanameloka ny fanonganam-panjakana nitranga teto ny martsa 2009 ary nitarika ny fampiatoana an’i Madagasikara tao aminy.

Mazava fa dia hanitsy mba tsy hilazana fa hanova iny sori-dalana vakiraoka naroson’ny Dr Simao iny ny SADC mialoha ny hamerenana azy amin’ny ankolafy sy ny vondron-kery politika eto an-toerana. Mbola any aorian’ny 15 febroary any anefa no mety hisehoan’izany, amin’izay koa vao mety hiverina eto ingahy Simao raha mbola ho avy. Resabe fampisavorovoroan-tsaina fotsiny ny ankoatra izay.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT