Naneho hevitra tamin’ny alalan’ny Internet ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, Imbiky Anaclet.
Tamin’izany no nilazany fa «sakana lehibe ho amin’ny famahana ny krizy naharitra indrindra teto amin’ny firenena hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena ny lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny 11 desambra 2010 sy ny tondrozotra tamin’ny 9 martsa 2011. Raha tokony ho famaranana ny krizy amin’ny fomba milamina no nieritreretana azy dia betsaka ireo zava-boalaza ao anatin’ireo tondrozotra sy lalàmpanorenana voalaza ireo no mifanipaka ny lafiny lalàna sy sakana ara-politika lehibe ahatongavana amin’ilay tsy fiandaniana amin’ny atsy na ny aroa...». Ireo rehetra ireo anefa, araka ity fanambarana nataon’ity manampahaizana manokana momba ny lalàna no sady mpanao politika mpikambana mpanorina ny “Nouvelle alliance pour le changement démocratique” ity dia sakana tsy ahatongavana amin’ny fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ankoatra izay, ireo manampahaizana rehetra momba ny lalàna dia samy milaza fa fandikana tsotra izao ny lalàmpanorenana mihitsy ny famoahan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ilay NOTAM izay raha adika tsotsotra dia mandrara ireo fiaramanidina mankaty Madagasikara tsy hitondra olona iray, ka ny voakasik’izany manokana amin’izao fotoana dia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny amiraly Ratsiraka.
Ho an’i Imbiky Anaclet dia ambarany mazava fa tena fandikana ny voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenana sy fanosihosehana ny zon’olombelona ny famoahana io NOTAM io. Mazava mantsy, araka ny nambarany, ny voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV ao amin’ny andininy faha-12 fa : «afaka mivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara… ary afaka mivoaka sy miditra an-kalalahana eto Madagasikara ny olom-pirenena tsirairay avy…». Tsy misy moa ny fanampim-panazavana misimisy kokoa momba ny famoahana io NOTAM io fa dia navoaka fotsiny ilay izy. Ny ao amin’ny ACM dia maro ireo teknisianina sy tompon’andraikitra no mahita ihany koa fa hafahafa ihany ity raharaha ity saingy tsy afa-manoatra izy ireo fa tsy maintsy manatanteraka ny baiko avy any ambony.
Rakoto Maxime sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.