Politique

Sori-dalana Ho raharahan’ny samy FAT


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011


Hanova zavatra betsaka eo amin’ny fizotry ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny tsy namelan’ny FAT ny filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana, na ny mpitondra ankehitriny izao aza, hatramin’ny nitsarana kimaimaika ny raharaha “7 febroary”, no nitady ny fiverenany, ary mbola nohamafisin’i Hippolyte Ramaroson, ministry ny raharaham-bahiny, amin’ny hoe avelao izy hiverina fa betsaka koa ny fanontaniana miandry azy. Raha izao no fisehony dia raharahan-tokantranon’ny samy mpanohana ny FAT no hiafaran’ilay sori-dalana heverin-dry Chissano sy Simao fa hivoahana amin’izao krizy izao.

Ireo antoko tao anatin’ny Herin’ny Fanovana, ka nandrafitra ny Ankolafy Rajoelina, miampy ireo mpijapy lamasinina sisa no hanao sonia io sori-dalana io. Ny Arema Ratsirakistes koa dia fantatra fa tsy hamela an’i Pierrot Rajaonarivelo, hanao sonia amin’ny anaran’ny Arema izany sori-dalana izany. Tsy manome tso-drano, ny amiraly Ratsiraka, filoha mpanorina ny antoko. Ny tariky ny Pr Zafy moa efa nitsipaka azy iny rahateo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT