Politique

Sori-dalana hivoahana amin’ny krizy “Tsy azo atao tefy maika”, hoy ny Dr Jules Andriamaholison


  • Talata 15 Febroary 2011

Tsy fehin-kevitra hampiharina ho famahana avy hatrany ny krizy ny sori-dalan’ny SADC narafitry ny Dr Leonardo Simao, araka ny nambaran’ny Dr Jules Andriamaholison solombavambahoaka TIM teo aloha sady ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana fa mbola sori-dalana handalo ambaratonga maro.

Misy aloha ny fandinihana azy io eo anivon’ny SADC, mety ho andro maromaro no faharetan’izany, ka rehefa vita dia miakatra ao amin’ny foiben’ny vondrona Afrikanina sy ny filankevitry ny filaminana sy ny fandriampahalemana indray, ary izay vao dinihana any amin’ny Firenena Mikambana, dia aorian’izay vao mety ho avy ny sori-dalana tena izy ho amin’ny fandaminana ny krizy Malagasy. Tsy tonga lafatra tsy akory, araka ny nambarany iny sori-dalana iny, fa mety mbola handalo fanitsiana maro. Zavatra eken’ny ankolafy politika rehetra eto an-toerana no sady mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena no tsy maintsy ampiharina eto amin’ny famahana ny krizy fa tsy zavatra hafa, araka ny nambarany ihany.

Nanamafy ny Dr Jules Andriamaholison fa miditra ao anatin’ny tetezamita iaraha-mitantana ny ankolafy Ravalomanana rehefa mazava ny resaka rehetra ary vita ilay drafitra na sori-dalana manaja ny fifanarahana rehetra natao momba ny hoe tetezamita iaraha-mitantana, izay takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy misy olana hivaha eto, araka ny filazany raha toa ka tsy ampiharina eto ny fiaraha-mitantana tena izy eken’ny ankolafy rehetra. Tsara ho fantatry ny rehetra, na olon-tsotra io, na mpanao gazety, na mpanao politika, na ao anatin’ny tetezamita na ireo mpanohitra, hoy ity solombavambahoaka TIM teo aloha voafidy tao amin’ny distrikan’Antananarivo I ity fa tsy hoe drafitra tsy maintsy ampiharina ny vitan’i Leonardo Simao teto, ary tsy nisy mihitsy izany hoe efa nanaiky an’iny ny SADC. Mbola lavalava ihany ireo dingana tsy maintsy arahina sy hajaina izay vao hivoaka ny tena fehin-kevitra amin’ny famahana ny krizy araka ny nambarany.

 
Nangonin’i RTT
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT