Politique

Sori-dalana hivoahana amin’ny krizy Simao vs Chissano


  • Alakamisy 03 Febroary 2011

Voatery handao an’i Madagasikara mialoha ny fotoana, amin’ity anio ity, ka hihazo an’i Mozambika tany fiaviany ingahy Leonardo Simao.

Nodimandry ny talata teo ny rainy, ary hamonjy izay voina mihatra amin’ny fianakaviany izay no tsy maintsy handehanany. Nisy andraikitra nanirahan’ny SADC azy tamin’ny alalan’i Joaquim Chissano, lehiben’ny mpanelanelana voatendry ny jona 2009. Efatra herinandro no tokony ho faharetany nihainoany sy nanangonany ny tolokevitr’ireo hery politika sy ankolafy politika misy eto anatin’ny fikarohana vahaolana hivoahana amin’ny krizy. Mifanojo indrindra tamin’ny fihaonambe faha-16–n’ny Firaisambe Afrikanina tany Addis-Abeba ny 30 sy 31 janoary teo ny fotoana hahataperan’ny dian’i Simao teto.

Toa enjikenjika nanaraka izay ny fisehon’ny zava-misy tamin’ity herinandro ity, toa milaza fa nanana tetiandro tokony hanaovana tatitra angamba ny tenany nefa tsy tratra izany, ka dia nanjary kimaimaika ny fipoitran’ity atao hoe sori-dalana heveriny hivoahana amin’ny krizy. Tonga teny am-pelatanan’ny mpanao politika nanomboka ny alatsinainy 31 janoary izy io, misy andininy 33. Io andro io ihany dia efa niteraka resabe ary nampisafoaka ny maro ny vokatra navoakany. Hany ka na ny fihaonana an-databatra boribory, nandraisana solontena dimy isaky ny ankolafy, tokony ho natao omaly aza tsy tanteraka noho io sori-dalany io. Hanana izay hambarany izy anio, mialoha ny handaozany an’i Madagasikara. Raha ny zavatra re hatrany ivelany tany dia tsy faly tamin’iny ingahy Joaquim Chissano, izay mpaniraka azy. Samy diplaomaty anefa izy ireo, ary samy Mozambikana rahateo, ka azo antoka fa tsy hifanebaka na hifanaratsy ambony gazety satria hitondra fahafaham-baraka ho azy ireo izany, ny fireneny ihany koa, indrindra fa ny SADC izay mametraka fitokisana tamin’izy ireo. Ny zavatra mety hiseho dia hifanazava izy roalahy rehefa any an-toerana.

Mety iny no lasa ary tsy hiverina eto intsony ingahy Leonardo Simao. Efa nanipy teny ihany mantsy izy tamin’ny nandraisany ireo ankolafy politika omaly, izay sady nampionona azy amin’ny fahalasanan’ny rainy, no nanolotra ny fanamarihana amin’ny teboka maromaro voarakitr’ilay sori-dalany ka nandroso tolokevitra vaovao, fa miankina amin’ny fianakaviany sy izay zava-misy any Mozambika ny fiverenany eto indray. Ny zava-misy rahateo dia diplaomaty vahiny maro eto Madagasikara no fantatra fa tsy faly taorian’ny namoahan’ny Dr Simao iny sori-dalany iny. Amin’ny lafiny iray dia tsy fahombiazana no azo andikana izay. Amin’ny endriny hafa anefa dia nisy ihany ny dingana vita satria dia samy naneho ny fahavononany hifampidinika hikatsahana ny tena vahaolana hivoahana amin’ny krizy ny ankolafy maro. Fa ny zava-nitranga koa dia nampiravona ny olana anatin’ny Tiako I Madagasikara ny nipoiran’iny sori-dalan’i Simao iny. Nazava nanomboka teo mantsy fa dia Escopol izany izao ry Raharinaivo, ary ny Tiako I Madagasikara dia mijanona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana toy ny nisy azy hatrany am-piandohana.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT