Tonga tao Sandton, Afrika Atsimo ary nihaona tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana, sady lehiben’ny Ankolafy Ravalomanana, ny Filohan’i Mozambika teo aloha Joaquim Alberto Chissano, mpanelanelana avy amin’ny SADC ny sabotsy 26 febroary teo.
Izany dia tohin’ny fihaonana efa nisy tamin’izy ireo tany Maputo ny 22 febroary lasa iny. Nandritry ny fihaonana dia namerina nanamafy ny fahatokisany tanteraka ny mpanelanelana avy amin’ny SADC sy ny ezaka ataony ny Filoha Ravalomanana, ary nanambara ny fahavononany hiaraka hiasa akaiky sy matotra amin’ny Mpanelanelana avy amin’ny SADC izy, mba ahitana ny vahaolana maharitra amin’izao krizy eto Madagasikara izao.
Nitovy hevitra tanteraka ny roa tonta nanamarika fa ilaina ny fampirisihina ny dinika eo amin’ny samy Malagasy ary dia manainga ny ankolafy rehetra, hilaza sy haneho fahavononana ka handray anjara amin’izany izy ireo, izay miainga amin’ilay sori-dalana natolotry ny mpanelanelana avy amin’ny SADC.
Notsipihin’Atoa isany Joaquim Chissano sy Marc Ravalomanana manokana fa ny fanaovana sonia ilay fanambaram-pahavononana dia tsy midika velively hoe sonia na fanekena ilay volavolan-tsori-dalana maha be resaka amin’izao fotoana izao. Mba ho fanamafisana ny fomba fijery sy fiasa demokratika, dia nohamafisin’ny roa tonta fa ilaina ny hananganana tetezamita tena izy marina, tsy miandany, hifampierana sy hifanarahana ary tsy manavaka izay hanokatra ny lalana ho any amin’ny fifidianana malalaka, marina ary eken’ny besinimaro mba hamerenana ny manara-penitra sy ara-dalàna.
Araka ny fantatra dia niresaka an-tariby tamin’ny lehiben’ny Ankolafy Zafy, Ny Filoha Zafy Albert ny mpanelanelana avy amin’ny SADC sy ny Lehiben’ny Ankolafy Ravalomanana nandritra io fihaonana tao Sandton io, ary dia nanazava teboka maromaro indrindra ny tsy fifandraisan’ny fanaovana sonia ny fanambaram-pahavononana sy ny fanaovana sonia ny volavolan-tsori-dalana. Taorian’io resaka an-tariby io dia nanambara Atoa Joaquim Chissano, fa nanamafy taminy ny finiavana sy fahavononan’ny ankolafy tarihiny handray anjara feno amin’ny dinika momba ilay sori-dalana mba hamerenana ny manara-penitra sy ara-dalàna ny Filoha Zafy Albert.
Ny lehiben’ny Ankolafy Ravalomanana kosa dia nanome toromarika ireo mpitarika voatondro hanao ny fifampidinihina avy ao amin’ny ankolafiny mba handray anjara feno amin’ny dinika momba ilay sori-dalana. Nilaza ihany koa izy ny tokony hisian’ny fihaonana an-tampony amin’ireo lehiben’ny ankolafy sy vondrona politika ary ireo nandray anjara feno tamin’ny fifampidinihina any amin’izay toerana hifanarahana, amin’ny famaranana ny fifampidinihina sy hanaovana sonia ny sori-dalana hifanekena farany.
Notsipihin’ny ny lehiben’ny Mpanelanelana avy amin’ny SADC sy ny Lehiben’ ny Ankolafy
Ravalomanana, fa aorian’ny fanaovan-tsonia farany ny sori-dalana nifanekena na tenierana, izay hataon’ireo lehiben’ny Ankolafy sy vondrona politika lehibe ary ireo sokajy isan-tokony nandray anjara tamin’ny dinika dia hampiharina araka ny tokony ho izy izay voarakitra ao.
Sary : Fihaonan’ny lehiben’ny Mpanelanelana avy amin’ny SADC sy ny Lehiben’ny Ankolafy Ravalomanana tao Sandton ny 26 febroary 2011
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.