Hivory amin’ity alakamisy 31 martsa ity ka hamoaka fehin-kevitra momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny SADC.
Tsy naharenesam-peo mihitsy moa ity vondrona misahana ny asa fanelanelanana iraisam-pirenena eto amintsika ity, hatramin’ny nanaovana rangopohy ilay sori-dalana narafitry ny Dr Leonardo Simao taorian’ny fihaonany tamina vondrona politika maromaro. Nisy ny hetsika fitetezana ireo firenena telo mandrafitra ny Troika eo anivon’ny SADC nataon’ny ankolafy 3 teo ambany fitarihan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mba hanazavana ny tsy maha mety ilay sori-dalana nambaran’izy ireo fa notefena maimaika teto Madagasikara ary manome fahefana mihoapampana an’i Andry Rajoelina sy manilika tsotra izao ny ankolafy hafa. Tsy vitan’izay fa mifanohitra amin’ny sata afrikana momba ny demokrasia nankatoavina ny taona 2000, manafay ny mpanongam-panjakana ary tsy manilika azy ireny tsy hahazo handray anjara tamin’ny fifidianana.
Ny Fahefana avon’ny tetezamita moa nanohy ny lalany ka nanangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena tarihan’ny jeneraly Camille Vital ary ahitana mpanao politika avy amin’ny ankolafin-kery samihafa, eny fa na dia avy amin’ny ankolafy Ravalomanana aza. Mazava ny hevitry ny ankolafy telo fa nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana ireo nanaiky ny hiditra tao amin’io governemanta io fa tsy misolo tena ny ankolafy nisy azy ireo teo aloha. Resaka politika moa izy ity ka sarotra ho an’ny olon-tsotra ihany no mamantatra izay tena marina. Fa ny azo antoka fotsiny dia tsy mbola nahazo ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena, na ny famerenana amin’ny toerany an’i Camille Vital izay hitan’ny maro fa fahadisoana paik’ady politika goavana nataon’i Andry Rajoelina, na ny fanendrena ireo minisitra 32 mandrafitra io governemanta io.
Raha araka ny filazan’Atoa Ravalomanana azy moa dia tsy manaiky io governemanta mijoro io ihany koa ny SADC, ary tsy maintsy hisy ny fanitsiana ilay sori-dalana mba tena hampisy tokoa ny hoe tetezamita iaraha-mitantana ary ahitana ny ankolafy politika rehetra. Arakarak’izay fanapahan-kevitry ny SADC ihany koa ny fepetra horaisin’ny sehatra iraisam-pirenena, izany hoe raha manaiky ny SADC fa mety ny fananganana io governemantan’ny fampiraisam-pirenena io dia izay izany no izy fa dia ho avy ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ary hiverina ny famatsiam-bola avy any ivelany ; raha mitsipaka izany kosa ny SADC na mitaky fanitsiana sy fanovana dia mbola hitohy indray izany ny dinika eo ambany fiahian’ny mpanelanelana iraisam-pirenena ary mety hiafara ihany amin’ilay fihaonan’ireo filoha telo mirahalahy teo aloha sy ny filohan’ny FAT miampy ireo mpitarika vondrona politika hafa izany. Fanontiana mipetraka koa ny hoe horavana ve io governemanta vao najoro io ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.