Politique

Sori-dalan’ny SADC Hiteraka krizy vaovao indray


  • Alarobia 02 Febroary 2011

Efa nisy karazana sori-dalana telo nambara fa neken’ny ankamaroan’ny ankolafy politika misy eto izany izao navoakan’ny sehatra iraisam-pirenena ho famahana ny krizin’i Madagasikara.

Voalohany ny satan’i Maputo voasonia ny 8 aogositra 2009, taorian’io ny fifanarahana politika teny amin’ny Carlton ny 6 oktobra 2009, ary farany teo izany dia ny sori-dalan’ny SADC izay nampahafantarina ny alatsinainy lasa teo. Ny mampiavaka ity sori-dalana fahatelo farany ity dia taorian’ny nahavitan’ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV nokarakarain’ny FAT no namolavolana azy. Ny ankoatr’izay dia mitovitovy tamin’ny teo aloha ihany ilay izy, fa ny fehezanteny fotsiny no novaina, na nahitsy kely.

Talohan’izay dia efa nisy an’izany «Epinal» sy «Rueil-Malmaison» izany Efa tsinjo hatry ny afak’omaly ihany koa fa mety hijanona ho dingana amin’ny famahana ny krizy fotsiny tahaka ireo roa voalohany ity sori-dalan’ny SADC ity fa tsy tena ho fanalahidin’ny krizy araka ny maharesy lahatra mpanao politika maro. Vita tao anatin’ny herinandro tamin’ny ankapobeny ny fandrafetana endri-pifanarahana tahaka izao, saingy ny fampiharana azy no mitarazoka, ary tsy vita mihitsy aza raha ny tena marina. Mety amin’ireo ankolafy sy vondrona politika rehetra mitovitovy fomba fijery amin’ny FAT izy ity, saingy tsy mety tanteraka amin’ny ankolafy telo, indrindra moa fa ny ankolafy Ravalomanana, izay mahatsiaro voatsipaka am-bavafo mihitsy.

Sady tsy afaka miverina an-tanindrazana ato ho ato mantsy Atoa Ravalomanana no mety tsy ho afaka milatsaka fidiana filoham-pirenena. Maro ireo mieritreritra fa sori-dalana hamboly krizy vaovao indray ity natolotry ny mpanelanelana iraisam-pirenena ity, ary hiteraka zavatra hafa mihitsy raha tsy hoe manaiky io faharesena politika goavana ho azy io angamba ny ankolafy Ravalomanana. Fa raha ny fahafantarana ny zavatra nitranga rehetra hatramin’izay aloha dia tsy hanaiky an’io ary tsy hipetra-potsiny ity ankolafy ity, izay manana ireo mpanara-dia sy mpanohana azy, na eto an-toerana izany na any ivelany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT