Politique

Sori-dalan’i Simao “Tsy nahazo fankantoavana izany”, hoy i Zafilahy Stanislas


  • Alatsinainy 23 Mey 2011


 “Manana traikefa amin’io famadihana ny resaka io ny sasany”, hoy ny depioten’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo teo anatrehan’ny zavatra notaterin’ny TVM ny alin’ny zoma 20 mey teo, nilaza fa neken’ny fivorian’ny filoham-pirenena sy ny lehiben’ny gouvernemanta ny SADC ny tondrozotra natao rangopohy teny Ivato, izay mampiroaroa saina ny Malagasy maro any ambanivolo any, izay tsy mandre afa tsy haino amanjerim-panjakana.

Miova ny zavatra iray rehefa ny FAT no milaza azy, hoy ity mpikambana ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity. “Marina fa nisy ny fivoriana tany Windhoek satria mahatsapa ny rehetra fa maharitra loatra ny krizy eto. Tsy marina kosa ny filazana fa nakatoavin’ny SADC ny sori-dalan’i Simao izay manamafy kokoa ny fitondrana mandeha ila. Io fihaonana hatao any Gaborone Botswana io no vahaolana hamahana ny krizy. Miara-midinika ny rehetra dia hitadiavana vahaolana tenierana hametraka ilay tetezamita tena izy”, hoy ity mpikambana ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ity. Nanamafy ny tenany fa hihazo an’i Gaborone tokoa ny ankolafy telo ka ho hita eo izay hataon’i Andry Rajoelina, izay milaza fa tsy ilaina intsony ny fifampidinihana.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT