Navezivezin’ingahy Leonardo Simao sy nolaniany andro teny Andraharo sy Antaninarenina fotsiny ny mpanao politika Malagasy fa dia ilay fifanarahan’Ivato nifanaovan’ny Escopol sy Andry Rajoelina tamin’ny 13 aogositra ny taona 2010 ihany no namboamboariny tao dia naveriny any amin’ireo ankolafy sy vondrona politika hodinihina, (hono).
Manana hatramin’ny dimy hariva anio, izy ireo hanolorana tolokevitra raha tsy manaiky. Amin’ny ankapobeny ny UDR, TGV sy ny Escopol dia samy nilaza fa mety aminy ny sori-dalan’i Simao, izay milaza fa Rajoe1ina ihany no mitantana ny tetezamita, ary manao ny asan’ny filoham-pirenena. Izy ihany koa no manendry ny praiministra amin’ny governemanta iombonana, miainga amin’ny tolokevitry ny ankolafy politika. Aorian’io dia mbola hanendry ireo ministra (31) ho mpikambana ao anatin’ilay governemanta. Ankoatra izay dia hotazomina ihany koa ireo rafitra sy ny mpikambana tsirairay avy eo anivon’ny CT sy ny CST. Hitarina fotsiny ihany ary hampiana olona ka samy manolotra anarana ny ankolafy rehetra ho amin’io fanitarana io. Tsy maintsy vita eo anelanelan’ny 01 mey ary fahafatarany ny 30 novambra ny fifidianana rehetra dia ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena izany.
Tsy horavana ihany koa ny CENI fa hatsaraina fotsiny ihany ny rafitra ao aminy ary hampiana olona. Tsy afaka mody ny Filoha Marc Ravalomanana mandritry ny fitondrana tetezamita ary manaiky fa tsy hanakorontana mihitsy any amin’izay tany misy azy. Tsy afaka mody ny tenany mandra-pisian’ny fandriampahalemana azo antoka eto Madagasikara. Farany dia hampiharina ny famotsoran-keloka ho an’ireo olona rehetra izay nigadra tamin’ny raharaha 2002 sy 2009. Ireo raha atao bango tokana ny sori-dalana, misy andininy 33, izay navoakan’ny Dr Leonardo Simao, vokatry ny telo herinandro nihainoany ireo vondrona politika maro eto Madagasikara.
Mipetraka ihany moa ny fanontaniana eto, hoe, tafiditra amin’ny iraka nampanaovina azy ve ny manao io soridalana io ? Na izany aza dia mazava tsy takona afenina fa mitongilana tanteraka ary manome vahana ny FAT ity sori-dalana ity. Tsy mahita rirany mihitsy ny ankolafy telo ary hita aza fa terena fotsiny ireo handray anjara ao anatin’ny fitondrana. Ny tetezamita tian-dry Simao hapetraka eto izany dia hampanekena ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary hiangaviana ny fanohanana sy ny fanampiana ara-bolan’ireto farany. Sady an-dRajoelina ny fitondrana ny fanjakana, ny Praiministra ary mazava ho azy ny ministra. Torak’izany ihany koa ny eo anivon’ireo Parlemanta roa izay tsy horavana ary hampiana fotsiny ihany, izany hoe hofenoina isa amin’ireo olon’ny ankolafy telo.
Tsy misy noravana izany ny rafitra rehetra izay efa napetrak’i Andry Rajoelina sy ny manodidina azy. Terena fotsiny tsotr’izao ny hanamafisana an’izany amin’ny alalan’ny fanampiana olon’ny ankolafy telo izay mazava ho azy fa ho vitsy an’isa, raha hiditra. Mitongilana tanteraka… Tsy vitan’izay fa nataon-dry Simao toy ny tsy nisy ireo ampamoaka nataon’ireo manamboninahitra miaramila ny faran’ny taona 2010 sy ny fiandohan’ny janoary teo, milaza fa fanonganam-panjakana tsotra izao no nisy teto ny martsa 2009 araka izay efa nambaran’izao tontolo izao rahateo koa. Amin-dry Simao koa izany dia fandanian’andro ny hetsik’ireo vahoaka marobe manerena ny Nosy mitaky ny handravana ny FAT ka hamerenana ny ara-dalàna, mitaky ny hamoahana ireo gadra politika, hampitsaharana ny famoretana sy ny fanapenam-bava sy ny fampihorohoroana amin’ny endriny samihafa, ary fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.
Omaly dia totoafo ny fivorian’ireo etamazaoro politika etsy sy eroa. Haneho ny heviny izy ireo amin’ity anio ity. Mazava anefa ny resaka fa dia matahotra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana avokoa ny mpitondra ankehitriny, satria dia hitsikafona ny zavatra tsy nety sy ny fahotana nataon’izy ireo, ka manao fomba rehetra tsy hisian’izany fa fandrirarirana sy fanilihan’andraikitra avokoa ny ambiny. Ingahy Leonardo Simao etsy andaniny vao maika mampikatso ny raharaham-pirenena, ary hampitarozaka ny krizy eto, ka tsy mahagaga raha nanomboka niahiahy azy ny tao amin’ny Magro Behoririka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.