Politique

Sori-dalan’i Simao Miantso ny mpanao politika hanao sonia azy io ry Raharinaivo


  • Alarobia 02 Febroary 2011

«Mankasitraka ny finiavan’ny mpanelanelan’ny SADC nanolotra sori-dalana vaovao hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ny TIM Raharinaivo, hoy ny fanambarana nentin’ny Sekretera jeneraliny, Rakotovao Vyvato.

Hita ao anatin’io avokoa, hoy ity farany ireo lalan-kivoahana rehetra azo antoka fa hitondra fahatoniana ho an’ny vahoaka fa tsy tokony hatao takalon’aina ireo vahoaka ireo. Ny hanavotra azy ireo amin’ny hafitsoky ny olona ratsy toetra mitady handetika amin’ny lalina amin’ny fampitarazohana ny tetezamita no antony nitadiavanay vahaolana hatrany tamin’ireo fifampidinihana samihafa natrehana sy nidirana ihany koa ao amin’ny rafitra mpanao lalànan’ity tetezamita ity.
 
Fa tsy ankasitrahanay velively ny fomba ratsy fanaovana politika taloha mitondra mankany amin’ny fahaverezana, hoy ny fanazavana. Ka mba ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena, ho amin’ny fampandehanana tsara ny tetezamita ahatongana any amin’ny Repoblika faha-4 tena izy dia miangavy an’ireo antoko politika rehetra izahay TIM Raharinaivo, handray ny andraikitra tandrify azy ka hanao sonia ity sori-dalan’i Simao ity izay hitondra ny firenena malagasy any amin’ny ho avy mamiratra, hoy i Vyvato Rakotovao. Araka ny fantatra dia nanatevin-daharana ny ESCOPOL ity elatra politika iray ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT