Tazana teny Ivato tao amin’ilay fanaovan-tsonia ny tondrozotran’ny SADC ny mpikambana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Hoy ny sasany tamin’izy ireo teo am-pivoahana ny efitrano.
Mamy Rakotoarivelo : “Tsy nanao sonia ny tondrozotra aho fa ny fanamarinam-pahatongavana milaza fa vonona hanohy ny fifampidinihana no nanaovako rangopohy teo. Mbola misy tokony hohatsaraina mantsy ao amin’izy io ka izay no tsy nanasoniavanay azy. Mampiseho izahay amin’ny alalan’ny fahatongavana ety Ivato fa ao an-damosin’ny fikatsahana vahaolana hivoahana amin’ny krizy ary manam-pahavononana amin’izany. Ny hisavorovoroan-kilatoana ka raha misy olon-kafa avy aminay tonga eto manokana dia manana ny heviny izy. Izaho sy Atoa Yves Aimé dia samy tsy nisy nanao sonia ilay tondrozotra”.
Yves Aimé Rakotoarison : “Tena nanao sonia mihitsy aho fa mila faranana ny krizy. Fotokevitra lehibe efatra no tiana ahitsy tamin’izy io, anisan’izany ny amin’ny tokony hiverenan’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana. Rehefa hita fa misy noraisina tamin’izany dia ampy fa tsara hofaranana ny krizy. Izany “négociation” izany dia tsy misy ho tanteraka 100%. Tsy mivaky izany ny Ankolafy Ravalomanana fa misy firaisankina ao ary ho fampirisihana bebe kokoa amin’ny famahana ny krizy ireny fihetsikay ireny”.
Fetison Rakoto Andrianirina : “Te haneho izahay fa ilaina ny fifampidinihana amin’ny rehetra. Tianay aseho amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena fa mahalala fomba izahay ka tonga ary vonona amin’ny fifampidinihana rehetra. Tsy nanao sonia izahay fa fanamarinam-pahatongavana no nataonay tao. Fomba nampisehoana amin’ny Iraisam-pirenena izao fa tsy ny Ankolafy Ravalomanana no miziriziry tsy mampivaha ny krizy”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.