Politique

Sivily manangonana Rezervista Mangina ireo lehiben’ny miaramila


  • Talata 31 Mey 2011

Tato anatin’ ny andro vitsivitsy izay dia fantatra fa misy mpikambana iray eny anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita manangona rezervista.

 Samy nilaza io avokoa ny gazety rehetra mivoaka isan’andro. Nisy mihitsy aza ny fanaovana tafa tamin’ ny mpanao gazety. An-jatony mihitsy ireo efa tafavory amin’izao fotoana izao. Mampanontany tena ny zava-misy. Angonina atao inona ireto zanadambo ireto ? Samy mangina anefa na ny minisitry ny Foloalindahy ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, na ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Randrianazary, na ny Cemgam ny jeneraly Ndriarijaona André na ny kaomandin’ny zandary ny jeneraly Razafindrakoto Bruno. Raha ny lalàna mantsy dia tokony ho miaramila fiandry ny zanadambo. Izao anefa toa asaina manao iraka hafa izy ireo.

 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT