Politique

Serasera Roa taona ny tranonkala zanak'i Dada


  • Alarobia 30 Martsa 2011


Ny 23 martsa 2009 no nahita masoandro voalohany ny tranonkala www.manara-dalana.webs.com nifaneraseran’ny zanak’i Dada. I ’Lay Mahintsy, Malagasy mpila ravinahitra tany Canada tany no tompon-kevitra sy nanam-piniavana tamin’izy ity, izay nataony indrindra hifampitaizana, hifampizaram-baovao, hifankaherezana, ary sehatra iray hilazana ny hevitry ny tsirairay, indrindra fa hilazana eo imason’izao tontolo izao fa fitondrana azo tamin’ny vonoan’olona sy fandrobana izao fitondrana misy izao. Maro tsy tambo isaina ireo mpitsidika sy ireo naneho ny heviny tao nandritr’izay roa taona izay.

Mahatratra 298 200 ny isan’ireo mpitsidika hatramin’ny ora hanoratanay, ary manana namana mpankafy 80 000 mahery ao amin’ny facebook, 50 000 ao amin’ny twitter, ary saika tamin’ny alalan’izany tranonkala izany no nahalalan’ireo Malagasy namana monina sy miasa any ivelany ny vaovao miseho eto Madagasikara. Nanamafy ’Lay Mahintsy fa tsy hijanona ny tsy hilaza vaovao izy hampandresena ny tolona atao ao anaty net, mba hiverenan’ny ara-dalàna eto Madagasikara, na dia maro aza ireo fandrahonana, ary nilokalokany fa tsy hitsahatra izany mandra-piverin’i Dada eto an-tanindrazana mba hanandratra indray an’i Madagasikara eo amin’ny toerana tena misy azy.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT