Politique

Seranan-tsambon’i Toamasina Ministra telo no indray nanao be midina tao


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Fa nisy inona teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina no minisitra telolahy be izao no nanao be midina tao omaly ? Izay no fanontaniana nipetraka tao an-tsain’ny olona nahita ireto fiara nialohavana mpitari-dalana niraondraona ny araben’i Toamasina tampon-tanŕna ny alatsinainy teo.

Teo ny ministry ny vola sy ny fitantanam-bola, Rajaonarimampianina Hery, ny ministry ny varotra, Mahazoasy Freddie ary ny minisitry ny fitaterana, Ranjatoelina Roland. Araka ny fanadihadiana natao dia ny tohin’ilay dinika teo amin’ny mpiasan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny SMMC nitokona tamin’ny taon-dasa sy ny olana teo anivon’ny mpiasan’ny MICTSL sy ity orinasa ity mihitsy, no anton-dian’ireo delegasionina ireto. Mety ho nidinika ny fiatrehana ny maitso ahitra ihany koa anefa. Nihidy varavarana moa izy ireo nandritra ny dinika nataony tao anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ka tsy nisy nipika izay tapaka tao, fa hita ho seriny tao anatin’ny fandaminana ny raharaha ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, ny mpikamban’ny CT sy CST Toamasina ary ireo tale jeneralin’ny SPAT sy SMMC ary ny filohan’ny CCIT. Ny atahorana fotsiny aoriana kely ao, dia ny fiverenan’ny fitokonana indray, satria tokony efa ny faran’ny volana oktobra 2010 no nanohizana ity dinika ity fa teo ny fandrirarirana sy ny baiko midina.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT