Politique

Senatera Riana Hivadika amin’ny fanjakana


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Mifamahofaho tanteraka ny raharaha Riana Andriamandavy VII, izay voalaza fa enjehin’ny lalŕna noho ny fihetsika tsy ara-dalŕna nataony dia ny fitarihana andian’olona hikomy sy hitora-bato teny amin’ny Bianco

, fanakanana ny avy eo anivon’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) tsy hanao fanamarinana ny maha tao amin’ny hopitaly HJRA na tsia an-dRamatoa Claudine Razaimamonjy... Efa nivoaka mihitsy ny resaka fa nanaovana fampiantsoana teny anivon’ny zandary ny tenany saingy nitsoaka any Guangzhou Chine. Nandiso izany anefa ny teo anivon’ny zandarimaria. Nilaza kosa ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana fa efa mahafantatra izy ireo fa nisy taratasin’ady araka ny fantatray sy henonay nalefa tany amin’ny zandarimariam-pirenena, hoy izy afak’omaly. Anjaranareo no manontany any amin’ny fitsarana na any amin’ny zandarimariam-pirenena, hoy ity tompon’andraikitra, izay hita ho mitandrina mafy, ka sady tsy nandiso no tsy nanamarina. Rehefa nanontaniana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby kosa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny jeneraly Florens Rakotomahanina omaly, dia nilaza fa tsy misy izany taratasy fampiantsoana ny senatera Riana izany.

Hivadika ?

Mahalala amin’ny antsipirihany ny aty vilanin’ny filoham-pirenena sy ny afera maizin’ny olona maro ao anaty fitondrana ve ity loholona ity, ka manao fitaovana izany mba hiarovan-tena ? Tsapa ho tsy matahotra na iza na iza izy ary toa tsy miasa saina akory tamin’ny zavatra nataony teny amin’ny foiben’ny Bianco sy ny vavabe navoakany.Sa ve tonga tokoa ny tsosori-mamba isarahana ka hivadika tanteraka amin’izay ny Senatera Riana tahaka ny efa nivadihany tamin-dRavalomanana ihany ? Maro no mahita fa hanova zavatra betsaka ny raharaha Claudine A&C ka anisan’izany ny fifandraisana eo amin’ny samy HVM sy mpiara-dia amin’ny filohampirenena satria nampizara hevitra ity raharaha iray ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

Hijery ny tohiny
FTT