Politique

Senatera Jean Louis Rakotoamboa ”Aoka ho mailo fa mandady ny trambo !”


  • Alakamisy 14 Aprily 2011

“Efa fantatra mialoha ny tetiky ny Frantsay miaraka amin-dRajoelina”, hoy ny Senatera Jean Louis Rakotoamboa, tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Behoririka omaly, dia ny handroso ny fifidianana amin’ny anaran’ny taratasin’i Simao.

Paika avokoa ny hoe atolory izay anarana tianareo ho minisitra, mihena 25% ny karaman’ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary hamoaka gadra izy ireo dia hiteny ny sasany fa efa niova tokoa ny fitondrana, dia ny OIF sy COI no hanome sarintsarina fankatoavana iraisam-pirenena avy eo”. Mikasika ireo raharaha mafampana eto amin’ny firenena tato ho ato dia nitaky mazava ny hanaovana fanadihadina lalina momba ireo maty nihinana trondron-dranomasina tany Toliara ny filohan’ny antoko Teza fa tsy tokony hohamoraina ny ain’ny olona nafoy.

Ankoatra izay dia fanontaniana no napetrany mikasika ny raharaha solika : lasa aiza ireo “redevances environnementales” sy ireo 40% tokony hanamboarana lalana, hoy izy, satria tsy nisy fanamboaran-dalana intsony eto ka tokony hijanona amin’ny vidiny io ny solika rehetra fa tsy ny vahoaka no vesarana amin’izany. Nambarany koa fa miakatra ny hetra ho any ny mpandraraha amin’ny sehatry ny fandrarahana harena an-kibon’ny tany, dia rehefa tsy mahaloa izany ny mpandraharaha Malagasy dia alaina ny “permis” nefa dia ho avy ny vahiny avy any ivelany amin’ilay fampirantiana iraisam-pirenena momba ny harena ankibon’ny tany sy ny solika hatao eo amin’ny volana mey ho avy io ary haka izany. “Mila mailo isika Malagasy fa mandady ny trambo”, hoy izy.

Manohy
SARY : Ny Senatera Jean Louis Rakotoambo an-kianja omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT