Politique

Savorovoro politika Nipatitaka koa ny Exopoles


  • Alatsinainy 07 Martsa 2011

Tsy miova mihitsy ny fomba fanao politika malagasy izay samy mikatsaka ny tombontsoany manokana.

Misy tamin’ireo antoko sy fikambanana niara-dalana tao amin’ny Exopoles miisa 40 no nisintaka tao anatin’ity vondrona ity ka nanangana ny azy manokana antsoina hoe Rassemblement pour la Démocratie Républicaine de Madagascar (RDR Madagascar). Nijoro ara-panjakana ny 24 febroary teo ny RDR Madagascar. Raha ny filazan’ireo mpikambana dia misy ny tsy fitovian-kevitra amin’ingahy Rasamizafy Cyril, filohan’ny Exopoles ka nitarika izao fisaraham-bazana izao. «Aleo hijanona ho tsiambaratelo ny antony sao sanatria misy mihevitra fa fankahalana olona fotsiny», hoy i Paul Mpody, filohan’ny RDR Madagascar.

Ity farany izay nanamarika fa saika manaraka azy ireo avokoa ankehitriny ireo antoko tao amin’ny Exopoles satria tao anatin’ny herinandro monja dia efa tafakatra 54 ny isan’ny mpikambana. Ny anarana no miova ho an’ny RDR Madagascar fa ny tanjona dia iraisany amin’ilay vondrona niandohany ihany. Manohana tsy misy fepetra an’i Andry Rajoelina, hanao sonia izay sori-dalana farany eo raha eken’ny SADC. Efa nangataka hihaona amin’ny Dr Leonardo Simao rahateo izy ireo saingy tsy olana,  hoy i Paul Mpody raha raisiny na tsia.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT