Manoloana ny fizarazarana eo anivon’ny Escopol dia nanamarika Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa filoha nasionalin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara no sady filoha lefitry ny CST fa mijanona ho vovonana, na karazana sehatra hihaonana sy hifanakalozan-kevitra eo amin’ireo antoko politika, izay samy mahaleotena ny Escopol, ary tsy misy tompony izany, no sady tsy misy filoha mpitarika.
Tahaka izao indrindra ny fanazavany : «tsy marina mihitsy ny filazana fa mitarika ankolafy avy ao amin’ny Escopol ny tenako, fa ny nangatahanay fotsiny dia ny tokony hisian’ny fivoriambe, izay tamin’ny novambra 2010 no nisy farany dia nanjavona ilay fiaraha-miasa, ka samy nandrirotra amin’izay mahamety azy ireo namana sasany. Tsy azo ekena raha toa ka zavatra tsy nifanarahana sady mivaona tanteraka amin’ny soatoavina napetra ary tsy manaja ny hasin’ny antoko politika no hisandohana ny anaran’ny Escopol. Ilaina ny fisian’io fivoriambe io mba hamaritana tsara ny lalan-kizorana».
Nohamafisiny ihany koa fa samy manana ny mpitarika azy sy ny sata mifehy azy ireo antoko ao anatin’ny Escopol, ka tsy misy mifampibaiko izany. Ho an’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara manokana dia nambaran-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa fa velona sy miaina foana izany antoko tarihany izany na eo na tsy eo ny Escopol, ary vonona izy ireo ny handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ho avy eo. Tokony hangarahara kosa anefa ny fikarakarana izany fifidianana izany. Fantatra fa efa nahatratra arivo mahery ny kandidan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara vonona ny hiatrika ilay fifidianana Ben’ny tanàna saika hontanterahina ny 20 desambra 2010 teo, ary efa nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany mihitsy aza ireo kandida ireo. Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa moa dia nanamafy fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.