Politique

Saraha Georget Rabeharisoa Aleo ho tenierana tsara ny fifidianana


  • Alarobia 09 Febroary 2011

Vonona hatrany amn’ny fiatrehana ny fifidianana ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara tarihan-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa, izay mpikambana ao amin’ny CST sady filohan’ny vaomieran’ny tontolo iainana.

Anisan’ireo antoko efa manana solontena amin’ny sokajim-pifidianana rehetra ity antoko ity, manomboka any amin’ny fifidianana sefo Fokontany izany ka hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika. Ary araka ny fanazavana azo aza dia efa nametraka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana mihitsy ireo kandida ho Ben’ny tanàna avy amin’ity antoko ity taorian’ny fanambarana fa hotanterahana ny 20 desambra 2010 io fifidianana io. Fa mitarika ny vovonan’ny antoko politika momba ny fifidianana na 3PE ihany koa Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa izay nihaona tamin’Atoa Peter Metcalf, mpanolotsaina politika eo anivon’ny Firenena Mikambana eto amintsika ny alatsinainy lasa teo.

Nandritra izany no namelabelaran’izy ireo ny maha zava-dehibe ny fifampidinihana tsara mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana. Tokony hifanaiky ny maro an’isa amin’izay fifidianana halefa mialoha sy ny manaraka. Araka ny nambaran’ny filohan’ny antoko Maitso dia tsy olana amin’izy ireo raha atomboka any amin’ny fototra io resa-pifidianana io, izany hoe filoham-pokontany, ny Ben’ny tanàna, ny depiote ary faranana amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Misy anefa ny vondrona sy ankolafy politika tsy manaiky izany, araka ny nambaran-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa azy, ka izay no tsy maintsy anatanterahana fihaonana sy fifampidinihana hamaritana mazava ny zavatra atao mba hialana amin’ny savorovoro indray any aoriana. Fa izy aloha dia manamafy fa ny fifidianana demokratika sy mangaraharaha irery ihany no hampiverina ny fankatoavana iraisam-pirenena sy hamaha ny krizy.

 
Nangonin’i RTT
 

Sary : Rtoa Sarah Georget Rabeharisoa, filohan’ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT