Politique

Samihary Floriot Vonona hianto-tena ho any Botswana ny TAMAMI


  • Talata 24 Mey 2011

Tsy mahasolotena anay ny vondrona 11 hofidiana ho any Gaborone Botswana, araka ny fangatahan’ny SADC, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Samihary Floriot sady filoha nasionalin’ny TAMAMI.

 Aminay dia ireo rehetra nanao sonia an’ilay sori-dalana teny Ivato nahitana filohana antoko sy fikambanana samihafa niisa hatrany amin’ny 400 no mandray anjara. Raha nahasolotena ireo tsy tokony ho niantso anay nanao iny rangopohy teny Ivato iny mihitsy. Tsy mena-mitaha amin’izany lazaina fa antoko lehibe izany ny TAMAMI, hoy ihany ny filohany, raha ny zava-bita tao anatin’ity tetezamita ity izay no asian-teny. Anisan’ny nanome sary tsara ny fitondrana tetezamita izahay raha ny fanomezan-tanana natao ho an’ny mpiara-belona nandritra izay roa taona mahery izay no asian-teny. Satria raharaham-pirenena no atrehana, hoy izy nanohy ny teniny, dia tokony hitondra ny anjara birikiny ireo rehetra nanao sonia iny sori-dalana SADC iny ary vonona amin’izany ny TAMAMI na dia hianto-tena aza ho any Gaborone raha resa-bola no olana amin’ny fankanesana any. Mbola miandry fanazavana matotra sy hentitra ary mazava kokoa mikasika ity raharaha ity ry zareo TAMAMI, araka ny filazan’i Samihary Floriot ihany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT